PolitikaSongadim-baovao

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : « Melohiko ny fambolena korontana, ilaina ny fitoniana ara-politika »

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, omaly, nandritra ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. « Efa fomba fiaina amin’ny resaka politika eto amintsika ny manompa sy manao fihantsiana. Tsy any ny olana. Fa raha korontaninao ny vahoaka, dia ambara kosa izany fa tsy fiainana ara-politika izany. Avelao ny vahoaka hiaina ao anatin’ny filaminana ary avelao ny vahoaka hihary ao anatin’ny fitoniana. Anjaran’ny mpitandro filaminana no miaro ny vahoaka sy ny fananany’, hoy izy. Ny Fitondram-panjakana dia mandray fepetra isan-karazany mba hanampiana ny vahoaka. Nasongadin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa ny vahoaka dia tsy mila korontana intsony, fa mila mihary am-pilaminana, ary ilaina ny fitoniana ara-politika. Ny mpanao politika no tokony hijery ny vahoaka, izay tena masi-mandidy tokoa, ary ny mpitandro filaminana dia Repoblikanina satria manaja ny safidin’ny vahoaka. « Melohiko ny fambolena kolotsainan’ny herisetra eto amin’ny Firenentsika. Ny herisetra fantatra ny fotoana hambolena azy, fa tsy ho fantatra ny mety ho fiafaran’izay. Maro ireo firenena niaina izany tany Eoropa na aty amin’ny kaontinanta afrikanina », hoy izy nanazava. Nahitsy izy nanambara fa tsy ekeny velively ny firenena ho tafalatsaka ao anatin’ny toe-draharaha tahaka izany.
Mampiaina ny demokrasia…
Notsiahiviny fa maro ireo nieritreritra fa tsy ho vita io fifidianana 2023 sy ny 2018 io. Nahitsy ny Praiminisitra nilaza fa misaina ny vahoaka malagasy io. Firenena demokratika isika, ary isaky ny manao fifidianana dia manatanteraka hatrany i Madagasikara. Ao anatin’ny firenena folo voalohany aty Afrika i Madagasikara amin’ny fampiainana ny demokrasia izany. Notanterahintsika hatrany ny fifidianana, na ny filohan’ny Repoblika, na ny solombavambahoaka na ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna. Rehefa manao fifidianana, dia misy ny mpandresy sy ny resy. Noho izany, tokony harahina hatrany ny hevitra ny maro anisa, ary henoina ny hevitry ny vitsy anisa, hoy hatrany ny Praiminisitra nanazava.
Miezaka hatrany ny Fitondram-panjakana amin’ny fampandrosoana ny firenena, isan’ny notanisainy ny fanaovany ny lalambe migodana, ny fanaovana ireo fanamboarana lalana isan-karazany, toy ny tany Farafangana, ny fanamboarana ny lalana RN7 miainga ao Ihosy mankany Betroka sy ireo fotodrafitrasa maro isan-karazany, izay ny ankabeazany, dia volam-panjakana madiodio fa tsy niandrasana famatsiam-bola avy any ivelany.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer