Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

BAOLINA KITRA : Mandroso ny asa fampanaraham-penitra ny Kianja Barea

Efa tomombana avokoa ny ankamaroan’ireo fanamarihana miisa 8 nataon’ny Kaonfederasiona Afrikanina ho an’ny Baolina Kitra (CAF) mikasika ny Kianja Barea, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson. Raha ny fanazavana dia isan’ny laharam-pahamehana teo amin’ny CAF sy ny FIFA ny fananana ireo fitaovana ara-pahasalamana toy ny fameloman’aina afaka manantona ny marary, ny fibatana ny mpilalao raha sendra aretina eny ambony kianja izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Efa tomombana avokoa izany rehetra izany, hoy izy, ary efa andalam-pahavitana ny Kianja Barea. Eo koa ny bozaka izay efa hita fa mitsiry tsara. Iarahana amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao ny fanaraha-maso izany rehetra izany.
Fantatra nandritra ny fitsidihan’ny Minisitra ny kianjan’ny Barea omaly fa raha ny fandaharam-potoana dia tokony ho amin’ny volana febroary izao no ho avy eto Madagasikara ny “inspecteur” avy amin’ny CAF hitsidika ny Kianja Barea. Andrandraina ny handraisana ireo lalao iraisam-pirenena amin’ity taona 2025 ity.
Nangonin’i Randriah.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer