Songadim-baovaoToekarena
FANETSEHANA NY VIDIN-TSOLIKA : Nidina ho 5 700 Ar ny lasantsy, raha 4 760 Ar ny gazoala manomboka anio
Vokatry ny haitariky ny Filoha Andry Rajoelina, sy fitsinjovana ho an’ny tombontsoam-bahoaka, manomboka anio, nidina ho 5.700 Ar ny vidin’ny solika, raha 5.900 Ar teo aloha. Ho an’ny gazoala indray, nihena ho 4.760 Ar raha 4.900 Ar izany teo aloha. Tsy nihetsika kosa, ny vidin’ny solika fandrehitra. Isan’ny fepetra takin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ao anatin’ny fanomezana ny famatsiam-bola ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy…
Mihatra manomboka anio ny fidinan’ny vidin-tsolika eny amin’ny mpaninjara solika. Nidina ho 5700 Ar ny vidin’ny lasantsy, raha 5900 Ar teo aloha. Ho an’ny gazoala indray, nihena ho 4760 Ar raha 4 900 Ar izany teo aloha. Tsy nihetsika kosa, ny vidin’ny solika fandrehitra, fa nijanona ho 2430 Ar ihany. Maro ireo nieritreritra fa vokatry ny fampiharana ny vidin’ny solika tena izy, dia hidangana ny vidin’izany. Ho an’ny eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI dia mifantoka kokoa, amin’ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na ny « Vérité de prix » izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fepetra takin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) rahateo, ao anatin’ny fanomezana ny FEC na ny « Facilité Elargie de Crédit » sy ny FRD na ny « Facilité pour la résilience et la durabilité » izany. Tiana ny manamarika fa ny haitariky ny Filoha Andry Rajoelina, dia mifantoka kokoa amin’ny fijerena ny tombontsoan’ny vahoaka maro anisa. Fanamafisana ny andraikitry ny mpitantana sy fijerena lavitra ataon’ny Filoham-pirenena, izao ezaka amin’ny fampidinana ny vidin-tsolika izao. Na dia niezaka ny handresy lahatra momba ny fampiharana ny vidin’ny solika tena izy aza, ny eo anivon’ny Tahirim-bola iraisampirenena, ny taona 2024, dia tsy nanaiky lembenana ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, momba izay tolo-kevitry ny FMI izay, fa niezaka hatrany nampihatra ny « Politikam-pitazonana » ny vidin-tsolika, satria mbola nandalo fotoan-tsarotra.
Mandany be ny teti-bolam-panjakana…
Amin’izao fotoana izao, tonga ny fotoana mety hanatanterahana ny fanitsiana momba ny vidin-tsolika io. Ny fanitsiana ho azy, dia dingana mankany amin’ny fanafoanana tanteraka ny fanampiana ara-bola ho an’ny solika, izay mampitombo ny fandaniana mihoa-pampana eo amin’ny Tetibolan’ny Fanjakana. Tombanana amin’izao, fa dingana mankamin’ny tsy fisiana fanampiana ara-bola, ho an’ny lasantsy sy ny gazoala izao dingana izao. Natao am-pitandremana sy ara-stratejika, araka izany, ny fanapahan-kevitra hampihatra ny fanitsiana ho an’ny vidin’ny lasantsy sy ny vidin’ny gazoala. Mampifandanja ny toekarena sy ny fitomboana maharitra, ary miaro koa ny fahefa-mividin’ny olom-pirenena. Tiana ny manamarika fa efa nisy ny adihevitra teo anivon’ny Primatiora, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo momba ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na ny « vérité de prix » izay isan’ny fepetra takin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, tamin’iny herinandro iny. Vokatr’izao fidinan’ny vidin-tsolika izao, tombanana ny hisian’ny fandraisana fepetra avy amin’ny Fanjakana, ny amin’ny tokony hidinan’ny vidim-piainana mifandraika amin’izay fidinan’ny vidin-tsolika izay. Mba ho tena hisy fiantraikany ara-tsosialy sy ny tokantrano ny fidinan’ny vidin-tsolika. Tsara homarihina fa nitombo ho 2,1% ny fanjifana solika, tamin’iny taona 2024 iny, araka ny tatitra navoakan’ny « Office malagasy des hydrocarbure » na ny OMH.
Pierre M.



