
Songadim-baovaoToekarena
SOLIKA : Hiovaova araka ny fivoaran’ny tsena iraisam-pirenena ny vidiny
Nihatra nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny fidinanny vidin-tsolika eny aminny mpaninjara solika. Nidina ho 5700 Ar ny vidinny lasantsy, raha 5900 Ar teo aloha. Ho anny gazoala indray, nihena ho 4760 Ar raha 4900 Ar izany teo aloha. Tsy nihetsika kosa, ny vidinny solika fandrehitra, fa nijanona ho 2430 Ar ihany. Ny fampiharanny vidin-tsolika, dia tsy voatery ho ny fampiakarana ny vidin-tsolika hatrany, fa mety koa ny fidinany, araka ny zava-misy eo aminny sehatra iraisampirenena. Tiana ny manamarika fa ny solika ampiasaintsika eto Madagasikara, dia afarana 100% any ivelany. Ny fihazaka ijerena ny vidin-tsolika, dia miankina betsaka aminny tahanny fifanakalozana ara-bola eo aminny sehatry ny iraisampirenena. Miankina aminny tolotra sy ny tinady eo aminny sehatry ny iraisampirenena koa no tena mamaritra ny vidin-tsolika. Tsy latsa-danja aminizany koa ny toe-draharaha iraisampirenena sy ny ara-toekarena manerantany. Marobe, araka izany, ny fihazaka ijerena mahakasika ny vidin-tsolika, raha tsy hiresaka afa-tsy ny filana maneran-tany, araka ny fanazavanny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier. Tiana ny manamarika fa ny haitariky ny Filoha Andry Rajoelina, dia mifantoka kokoa aminny fijerena ny tombontsoanny vahoaka maro anisa. Fanamafisana ny andraikitry ny mpitantana sy fijerena lavitra ataon’ny Filoham-pirenena, izao ezaka aminny fampidinana ny vidin-tsolika izao.
Pierre M.



