PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA: Ny 11 Desambra no tolo-kevitry ny CENI
“Hatao ny volana desambra ny fifidianana loholona” hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny alahady teo. Loholona 12 no ho fidiana mandritra izany, raha ny voalazan’ny lalana mifehy ny Antenimieran-doholona izay vao nankatoavin’ny parlemanta ary efa nambaran’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana fa mifanaraka amin’ny lalana fototra. Raha ny tolo-kevitry ny CENI, ny 11 desambra no hanaovana izany fifidianana izany.
92 andro. Raha ny tolo-kevitry ny CENI, afaka 92 andro no hanaovana ny fifidianana ireo ho loholona vaovao, izany hoe ny 11 desambra 2020. Ny fivoriam-ben’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, taorian’ny taratasy nalefan’ny governemanta mangataka volavolana tetiandro, no nandray io fanapahan-kevitra io izay efa nalefa any amin’ny governemanta raha ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny CENI, Fano Rakotondrazaka. Ny filan-kevitry ny minisitra kosa no ho tompon’ny teny farany. Raha ny voalazan’ny lalana, ny filan-kevitry ny minisitra hatrany no mandray didim-panjakana manaika ny mpifidy handrotsa-bato. Nanambara ny avy eo anivon’ny Ceni fa efa miomana amin’ny fanatanterahana io fifidianana io. Isan’izany ny fananganana ny lisitry ny mpifidy vaventy. Raha ny fanazavana hatrany, efa voaomana io lisitra io saingy mbola vonjimaika aloha.

Loholona 2 isam-paritany no hofidiana
Ny alahady teo ny Filohan’ny Repoblika no efa nanambara fa any amin’ny volana desambra any no hanatanterahana ny fifidianana ireo izay ho loholon’i Madagasikara vaovao. Roa ambin’ny folo no hofidiana mandritra izany, ka ny mpifidy vaventy no handrotsa-bato. Ilay didy hitsivolana noraisin’ny Filoham-pirenena tamin’ny taon-dasa mamaritra momba ny antenimieran-doholona, ary nankatoavin’ny parlemanta nandritra ilay fivoriana tsy ara-potoana farany teo no namaritra izany. Voalazan’io lalana vaovao io fa loholona roa isam-paritany ihany no hofidiana. Ny loholona izay ambaran’ny lalampanorenana fa misolo tena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Aorian’ny fifidianana, afaka hanendry loholona enina ny Filohan’ny Repoblika, raha ny voalazan’ny lalana ihany. Izy ireo indray dia hisolo tena ireo vondrona ara-toekarena sy sosialy eto amin’ny firenena. Manomboka amin’ny taona ho avy araka izany dia ho valo ambin’ny folo sisa ireo loholona handrafitra ny Antenimieran-doholona, izay tsiahivina fa ho mpanolontsain’ny governemanta, raha ny voalazan’ny lalampanorenena.
Afindra ho an’ny asa fampandrosoana ny teti-bola
Safidy politikan’ny fitondram-panjakana ny fampihenana ny isan’ny loholona. Tsiahivina fa nandritra ny fampielezan-kevitra dia efa nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa “ho foanana ny Antenimieran-doholona ary hafindra hanatanterahana asa fampandrosoana ny teti-bola ho amin’izany”. Noho ny tsy fahafahana miroso avy hatrany amin’izay fanafoanana izay anefa no nirosoan’ny fitondram-panjakana hampihena ny isan’ny loholona. Raha toa ka 63 ny loholona ankehitriny dia hihena ho 18 izy ireo manomboka amin’ny taona ho avy. Fampihenana isa, izay hitondra makany amin’ny fampihenana ny teti-bola ho atokana ho an’ity andrim-panjakana ity ihany koa. Nohamafisin’ny Filoha ny alahady teo fa hafindra “entina manangana oniversite any amin’ny faritra” izany teti-bola izany. Mandra-piandry izany, efa miomana ny CENI hiatrika ny fifidianana loholona, ka isaky ny renivohi-paritany no fantatra fa hametrahana ny biraom-pifidianana. Ny SRMV kosa dia toy ny teo aloha ihany. Izy ireo no hanao ny fanisana ny vato. Ankoatra ireo, ny OVEC ihany no ho rafitra hisahana ny fandraisana sy fanaraha-maso ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ny volana Janoary 2021 raha tsiahivina no tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Loholona am-perinasa ankehitriny.




