PolitikaSongadim-baovaoToekarena

NAHATRATRA IREO VOLAMENA 53, 735 KG SY 13 KG: Nankasitrahan’ny Fanjakana ireo Mpiasan’ny fadintseranana

Isan’ny fomba fiasa vaovao apetraka ny hoe izay miasa tsara sy anaty fahitsiana, ary mahazo vokatra tsara dia omena fankasitrahana. Izay indrindra no teboka faharoa tamin’ny fidiana ifotony nataon’ny Filoha Andry Rajoelina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. “Midika fandresena mantsy ho antsika izao ezaka nataonareo izao. Ary ireo izay mitondra fandresena rehetra eto amin’ny Firenena, na mpanao fanatanjahantena, na Mpiasam-panjakana, na olon-tsotra dia mendrika fankasitrahana izany. Satria ny fandresena hita teto amin’ity fadintseranana ity dia fandresena eo amin’ny fiarovana ireo harena voajanahary misy eto amintsika. Fandresena manan-danja koa momba ny ady amin’ny kolikoly izay apetrantsika”, hoy izy. Araka izany, nahazo « valisoa manokana » avy amin’ny Filohampirenana ireo mpiasan’ny fadintseranana eny Ivato nahatratra ireo volamena 53,735 kg, sy 13 kg. Vola mitentina 388.162.000 ariary no nozarain’ireo efatra mirahalahy nahatratra ireo volamena 53,735 kg, izany hoe, samy mahazo 97.040.574 Ar tsirairay avy izy ireo. Ireo efatra mirahalahy nahatratra ireo volamena 13 kg kosa, dia nomena fankasitrahana manokana mitentina 100.155.810 Ar, izany hoe, mahazo 25.038.953 Ar isanisany izy ireo. Eo koa ny « avancement exceptionnel » ho azy ireo. Ahafahana misongadina sy ahazoana tombony tsara sy mivaingana ny fanaovana ny asa araka ny tokony ho izy sy am-pahamarinana. Araka izany, mampirisika ireo mpiasam-panjakana rehetra ny Filohan’ny Repoblika anao ny asan’izy ireo antsakany sy andavany, anatin’ny fahamarinana ary mba hiady amin’ny kolikoly, amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy. Nanome toky izy fa tsy hiasa jamba rafozana, izy ireo, fa hahazo sitraka.
Tsy azo ekena ny fanararaotam-pahefana
Nandritra ny lanonana omaly maraina, dia nanazava ny fisehon’ireo fikasana hanondrana ireo volamena, sy ny fomba nahatrarana izany ny solontenan’ireo mpiasan’ny fadin-tseranana. Isan’ny nanaitra ny fanazavana fa nisy “protocole” avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny niezaka nanao izay tsy hisavana ilay entana nolazaina fa “valise diplomatique” nasiana ireo volamena. Tsy azo ekena, hoy ny Filoha, hoe misy olona manararao-pahefana any anaovana kolikoky sy asa ratsy hafa. Mahakasika ireo mpiandraikitra ny arofenitra sy ireo olona miasa na mivezivezy eny amin’ny seranam-piaramanidina dia naverin’ny Filoha ny toromarika nomena ny ACM, amin’ny fijerena ireo « badges » rehetra sy famaritana ny fetran’ny azon’ireo mpiandraikitra ny arofenitra atao. Notsipihin’ny Filoha Andry Rajoelina koa ny tsy tokony hisian’ny “intervention” izay anakanana ireo tomponandraikitra tahaka ny ao amin’ny fadintseranana hanao ny asany. Nambarany, araka izany, fa hisy laharan-tariby manokana homeny ireo mpiasan’ny fadintseranana, mba hahafahan’ izy ireo mifandray aminy mivantana sy mitoroka ireo izay manao “intervention”, ka misakana azy ireo tsy hanao ny asany, na koa mampahafantatra trangana kolikoly.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer