Fanadihadiana ManokanaSosialy

MALAGASY: 0,1% no manana sokajin-drà “O négatif”

Niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera ny filazana tamin’ny faran’ny herinandro teo fa ambany ny tahirin-drà sokajy “O négatif” ao amin’ny ivontoerana fitahirizan-dràn’ny HJRA. Fantaro anefa fa ny 0,1%-n’ny Malagasy ihany no mitondra io sokajy io, ary ambany mifanaraka amin’izany ny filàna. Hatramin’ny omaly dia olona nanodidina ny 200 no tonga nanome rà tao amin’ny ivontoerana Ampefiloha. Ny 2 na 3 tamin’izy ireo no nitondra ny sokajy O-. Tsy misy ahiana ny tahiry…

Niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filazana fa ambany ny tahirin-drà sokajy “O négatif” (O-) ao amin’ny ivontoerana fitahiriza-drà an’ny CHU HJRA. Maro anefa, hoy ny filazana, ireo marary mila io sokajin-drà io ankehitriny. Noho izany dia nisy ny fanentanana fanomezan-drà ho an’ireo olona manana io sokajy “O négatif” io.
Raha ny fanamarinam-baovao natao omaly dia nanazava ny loharanom-baovao fa vitsy an’isa ireo Malagasy manana ny sokajin-drà “négatif”. Ny sokajy O+ no tena maro an’isa eto amintsika. Raha ny tombatombana dia ny 1%-n’ny Malagasy no manana sokajin-drà “négatif” ka ny 0,1% no mitondra io rà O- io. Midika izany fa tsy fahita matetika ny filàna mihoa-pampana amin’ny sokajin-drà “O négatif”ary azo sokajiana ho tsy mitombina ny filazana niparitaka tamin’ny faran’ny herinandro. Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao hatrany, nanodidina ny 200 omaly ireo olona tonga nanome rà teny amin’ny ivontoerana fitahirizan-drà Ampefiloha. Ny 2 na 3 tamin’ireo no nanana ny sokajin-drà O-. Noho izany tsy misy atahorana ny tahiry. Raha ny fomba fiasa rahateo, rehefa misy olona mila io sokajin-drà tsy fahita firy io izay vao tokony hatao ny fangalana rà. Amin’ny maha vitsy an’isa ny olona mitondra ny sokajy dia elaela kokoa vao mihetsika ny tahiry, mety ho simba, ka tsy tsara tahirizina ela loatra.
Sokajin-drà 8
Marihina fa miantoka ny fahaveloman’ny zanak’olombelona ny rà izay mikoriana ao amin’ny vatany, ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fahasalamantsika. Mizara ho sokajy miisa valo ny karazan-drà hita mikoriana any amin’ny isam-batan’olona. Maro an’isa eto Madagasikara ireo olona manana sokajin-drà “O+”. Vitsy sy sarotra tadiavina ny mitondra ny sokajy “O-“ sy “AB négatif”.
Noho ireo antony maro samihafa anefa dia matetika no mila rà ivelan’izay efa nokoloin’ny vatana hatramin’izay ny olona iray, indrindra rehefa tojo tsy fahasalamana. Eo indrindra no miditra an-tsehatra amin’ny famaliana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny daholobe ireo ivontoerana misahana ny fitalevana momba ny famindrana rà (Centre de Transfusion Sanguine) eny anivon’ireo tobim-pahasalamana. Manana andraikitra amin’ny famondronana ireo rà omen’olona sy mitahiry izany ny “Centre de Transfusion Sanguine” ka eny an-toerana no afaka misitraka ireo olona mila fampidiran-drà. Araka izany, mila fampidiran-drà ny olona iray rehefa miatrika fandidiana, ireo izay manana fahasarotana eo am-piterahana, ireo tra-doza ka very rà betsaka, ireo mararin’ny homamiadana, sy ireo izay tratran’ny aretina maro hafa ka mila izany rà izany.
Tsy marisika manome rà
Manan-danja ary miantoka fiainan’olona maro, araka izany, ny fanomezan-drà. Mizara ho sokajy 2 ny mpanome rà eto amintsika. Ao ireo izay avy amin’ny olona manana ny marary, satria mba ahafahana misitraka rà maimaimpoana eny amin’ireo hopitalim-panjakana dia fepetra hapetraka ny fitondrana olona roa hafa hanome rà ho soloin’izay nomena ny marary iray. Ao kosa ireo izay avy amin’ny olona mpanome rà an-tsitrapo. Izany hoe tsy manana ny marary izy fa mahafeno ny fepetra amin’ny maha tokony ho mpanome rà azy dia manome izany, indray mandeha na maharitra, ho famonjena ireo mpiara-belona hafa mila rà.
Raha ny zava-misy eto Madagasikara anefa, mbola ambany ny tahan’ny olona mpanome rà an-tsitrapo eto amintsika. Niainga avy amin’ny antontanisan’ny taon-dasa dia tsy misy afa-tsy ny 1/5-n’ireo rà izay voahangona eny amin’ny ivontoerana no avy amin’ireo mpanome rà an-tsitrapo. Mbola ambany izany taha izany raha mitaha amin’ny fenitra napetraky ny Vondron’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) izay mamaritra fa ny 1%-n’ny mponina afaka manome rà farafahakeliny no tokony ho tonga manome rà an-tsitrapo. Rehefa natao anefa ny kajy, mbola latsak’io 1% io ny fitambaran’ireo 1/5 amin’ny rà voahangona eny amin’ny ivontoerana miandraikitra izany. Fehiny, vitsy ireo olona mazoto manome rà an-tsitrapo.
Na eo aza anefa izany, azo lazaina fa efa mihamitombo io taha io ankehitriny, mitaha amin’ny zava-misy niainana tamin’ny fotoana nandalovan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Nandritra io vanim-potoana io mantsy, nihemotra ireo mpanome rà satria na ny fidirany tany amin’ny hopitaly fotsiny aza dia sarotra. Tsy afaka nivezivezy noho ny fihibohana. Ary natahotra ihany koa izy ireo sao hifindran’ilay otrikaretin’ny Corona Virus. Amin’izao fotoana, araka izany, efa miverina amin’ny laoniny izay fahafahana mivezivezy eny amin’ny tobim-pahasalamana izay ka efa miverina mitovy, na mihoatra kely, ny talohan’ny fisian’ny valanaretina ny fahazotoan’ireo olona manome rà an-tsitrapo.
LEG3: Mahasalamana ihany koa ny fanomezan-drà matetika, hoy ireo izay efa mpanao izany.
Fepetra ahafahana manome rà
Manoloana izay taha ambany izay, hamafisina hatrany ny fanentanana ny olom-pirenen-drehetra mba hazoto amin’ny fanomezan-drà. Tsara anefa ny manamarika fa tsy izay olona te hanome rà rehetra dia afaka manao izany avokoa. Maromaro ireo fepetra hapetraka ka santionany amin’izany ireto tanisaina manaraka ireto:
-Olona eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 60 taona.
-Milanja 50 kilao farafahakeliny.
-Olona salama, tsy misy aretina mitaiza.
-Olona manana toe-batana matanjaka.
-Tsy niari-tory.
-Nisakafo alohan’ny hanomezana rà.
-Tsy nihinana fanafody ihany koa talohan’io fotoana io.
Tsara ho fantatra ihany koa fa tsy maintsy misy hatrany ny firesahana amin’ny mpitsabo mialoha io fotoana hanaovana ny fanomezan-drà io. Isaky ny telo volana no elanelam-potoana afaka hamerenana ny fanaovana izany ho an’ny lehilahy, ary isaky ny efa-bolana kosa an’ireo vehivavy. Tombony lehibe ho an’ny fahasalamana ny fanaovana izany, hoy ny mpitsabo, satria misolo afaka 30 minitra ihany io rà nesorina io. Afaka mamonjy ain’olona roa hafa ihany koa ny 10 minitra nanaovan’ny olona iray ny fangalana rà tao aminy. Tsara hatrany ihany ny mpampahafantatra fa mandalo fitiliana ireo rà ireo alohan’ny hitahirizana sy hampiasana azy ka jerena ao anatin’izany ny fisiana soritr’aretina karazany efatra: ny farasisa, Sida, Hépatite B sy C, ary tazomoka.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer