Songadim-baovaoSosialy

FAHABETSAHAN’NY ROTSAK’ORANA: Loza manambana miloko mavo ho an’Analamanga

Raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana dia noho ny fisian’ny fikorontanana ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika izay hatrany no hanamafy ny tsiokan’ny Talio saika manerana an’i Madagasikara. Vokatr’izay indrindra, dia ho betsaka kokoa ny rotsak’orana ho an’ny anio, fa indrindra ho an’ny eto Afovoan-tany. Manodidina ny 70 ka hatramin’ny 100mm araka izany, ny tahan’ny rotsak’orana andrasana ato anatin’ny 24 ora. Faritra sy Distrika maro, araka izany, no naharay fampitandremana mikasika izay fisiana rotsak’orana betsaka izay, ary voalohany amin’izany ny eto Analamanga, izay nahazo filazana loza manambana miloko mavo. Ankoatr’izay ny ao amin’ny Faritra Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, ary ny Distrikan’Ikalamavony. Fampitandremana miloko maitso na filazana loza fanairana, izany hoe manan-kery manomboka ny zoma 24 janoary 2025, ka hatramin’ny alahady 26 janoary 2025 ho an’ny Faritr’i Melaky, Menabe, ary ny distrikan’i Morombe, Beroroha, Ankazoabo Atsimo, ary mipàka hatrany amin’ny Distrikan’i Sakaraha. Entanina araka izany, ny mponina amin’ireo Faritra sy Distrika naharay filazana loza, mba ho mailo sy hitandrina manoloana ny mety ho fiakaran’ny rano na ny renirano, ny fiangonan-drano sy ny mety ho fihotsahan’ny trano na tany. Ilaina hatrany kosa, ny manaraka ny toromarika omen’ireo tompon’andraikitra eny ifotony mikasika izany. Io tsiokan’ny Talio io, araka izany, no mandrafitra hatrany ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny manerana ny Nosy. Mbola arahi-maso akaiky hatrany ny mikasika ny fisian’ilay fikorontanan’ny toetr’andro ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, hatramin’ny farany herinandro ity.
Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer