PolitikaSongadim-baovao

TAONA VAOVAO 2025 : Nirary soa ny Filoha Andry Rajoelina sy ny ankohonany ny FFKM

Tonga niarahaba sy nitondra ny teny firarian-tsoa ho an’ny filoha Andry Rajoelina sy ny ankohonany ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny Fivondronan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM), omaly maraina. Noraisin’ny Filoha tao Iavoloha izy efatra mirahalahy. Ny Mgr Raoelison Jean De Dieu, Arsevekan’Antananarivo, izay vao nandray ny toerana maha filohan’ny FFKM azy ny alahady teo, no nitondra ny teny fampidirana. Nitondra ny tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka ho fangataham-pitahiana ho an’ny Filoha sy ny ankohonany ary ho an’ny firenena kosa, ny Pasitora Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny FJKM. Tonga teny Iavoloha avokoa ireo Filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM. Raha misy ireo milaza fa tsy mifanaraka ny fiangonana eo anivon’ny FFKM sy ny Fitondram-panjakana dia mandiso izany ny fahatongavan’ireto Filoham-piangonana ireto teny Iavoloha niarahaba ny Filoha Rajoelina. Maneho koa izao fihetsika izao fa marim-pototra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny fiangonana, ary miombom-po ho an’ny fikatsahana izay hahasoa ny vahoaka, sy ny fampandrosoana ny firenena izy ireo. Fihetsika iray izay mavesa-danja, maneho izany firahalahiana eo amin’ny fiangonana sy ny fitondrana izany ny fitrotroana am-bavaka ny Filoha Rajoelina sy ny ankohonany ary ny firenena, izay nataon’ny Pasitora Irako Andriamahazosoa.
Hetsika fiombonam-po…
Araka ny nambaran’ny Pasitora Rakotozafy moa, dia amin’ity taona ity no ankalazana ny faha 190 taonan’ny mampiely baiboly eto Madagasikara. Amin’ity taona ity koa ny ankalazana ny faha 45 taona ny FFKM, izay ho atao any Mahajanga. Nanararaotra ny fihaonana omaly maraina teo, ireo Filoham-piangonana, araka izany, anasana ny Filoham-pirenena hanatrika izany fotoan-dehibe izany. Nisaotra ireo Filoham-piangonana moa ny Filoha Rajoelina noho ny fahatongavan’izy ireo itondra ny firarian-tsoa noho izao taona vaovao izao. Nanararaotra ity fihaonana ity ihany koa izy nanomezana toky ho an’ireo ao amin’ny FFKM fa mikatsaka hatrany ny hahasoa ny vahoaka malagasy izy, sy ny ampandrosoana an’i Madagasikara. “Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako dia tiako ny manamarika aminareo fa tsy mitsahatra mikatsaka andro aman’alina izay ahafahantsika mampandroso ny firenena, mampandroso an’i Madagasikara, mandresy ny fahantrana, mandresy ny kolikoly, mampandroso ny asa rehetra. Mba hahafahantsika mahatratra ny tanjona tiana apetraka eto amin’ ity firenena ity”, hoy izy. Taorian’ny fifampiarahabana moa, dia nitafa nandritra 30 minitra teo ho eo niaraka tamin’ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy ny Filoha Andry Rajoelina.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer