Songadim-baovaoSosialy
TOETRY NY ANDRO : Hitohy ny oram-baratra eto Analamanga sy ny faritra hafa
Faritra roa ahitana soritra mety hiforonana rivodoza amin’izao fotoana, raha ny tatitra nomen’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tolakandro. Ny iray ao amin’ny Ranomasimbe Indiana, raha ao amin’ny Lakandranon’ny Mozambika ny iray, izay isiana fikorontanana amin’izao fotoana, raha hiverenana. Raha ilay ao amin’ny Ranomasimbe Indiana dia nambaran’ny Météo malagasy, fa manodidina ny 55% ny taha mety hivadihany ho rivodoza ato anatin’ny dimy andro manaraka. Raha ilay fikorontanana ao an-dranomasin’ny Lakandranon’ny Mozambika indray, dia mbola ambany hatrany ny taha mety hivadihany ho rivodoza amin’ity herinandro ity, saingy ho hita ny fivoaran’izany hatramin’ny alahady ho avy izao. Raha ny tomban’ny mety ho toetry ny andro ato anatin’ny telo andro manaraka, izany hoe manomboka anio alakamisy 23 ka hatramin’ny sabotsy 25 janoary 2025, dia io fikorontanana hita ao amin’ny Lakandranon’ny Mozambika io hatrany no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Izany dia hanamafy ny tsiokan’ny Talio izay mandrafitra ny volon’andro fahavaratra amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Hisy hatrany, araka izany oram-baratra, arahin’ny filazana fahabetsahan’ny rotsak’orana amina faritra maro eto Madagasikara. Voalaza anatin’izany hatrany ny eto amin’ny Faritra Analamanga, Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Ambatofinandrahana, Betsiboka, Andrefan’i Sofia, izay samy nahazo ny filazana loza mitaotao na miloko mena avokoa. Tafakatra hatramin’ny 70 ka hatramin’ny 110mm ny rotsak’orana azo avy amin’izany anatin’ny 24 ora. Tombanana betsaka ihany koa ny rotsak’orana any amin’ny faritra Menabe sy ny faran’ny faritra avaratry ny Faritra Atsimo Andrefana, izany hoe ao Morombe sy Beroroha, izay nahazo ny filazana loza manambana na miloko mavo.
Nangonin’i S.R




