
Fanadihadiana Manokana
“INTELLIGENCE ARTIFICIELLE”: Ampiasain’ny 2/3-n’ny mpianatry ny kolejy any amin’ny tany mandroso
Ekena sa tsia ny fanomezana toerana ny “intelligence artificielle” ao anatin’ny sehatry ny fanabeazana? Hiteraka adihevitra izany rahampitso ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. Hatreto dia mizara roa ny zava-misy maneran-tany. Misy amin’ireo firenena mandroso no efa lasa alavitra amin’io fampidirana ny IA any an-tsekoly io. Ankilany, mihamaro hatrany ireo firenena mandrara ny fampiasana azy any amin’ny fanabeazana. Ho an’ny Unesco, tokony hanana anjara toerana any amin’ny fanabeazana ny fampiasana ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny “intelligence artificielle”.
24 janoary, rahampitso no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. Ny hodidina mahakasika ny “Intelligence Artificielle” (IA) mifandraika amin’ny fanabeazana no lohahevitra nosafidian’ny Unesco (Fikambanamben’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny serasera) havoitra amin’ity andian’ny fankalazana ity. Miantso ireo firenena mpikambana ao amin’ny Unesco mba hampiasa vola ao anatin’ny fanofanana ireo mpanabe sy mpianatra mahakasika io teknolojia vaovao io, mba hampiasa izany ara-drariny ao anatin’ny fanabeazana, ny tale jeneralin’ny Unesco Audrey Azoulay. Ao anatin’izao fampifandraisana ny “Intelligence Artificielle” sy ny fanabeazana mandritra ny andro iraisam-pirenena izao, tanjon’ny Unesco ny hanokatra adihevitra maneran-tany mahakasika ny anjara toeran’ny teknolojia amin’ny fanabeazana. Noho izany dia hisy rahampitso ny valan-dresaka lehibe tanterahana any Paris sy News York ary afaka manaraka izany avokoa ny firenen-drehetra. “Manome soa fanararaotra maro ho an’ny fanabeazana ny fampidirana ny IA, raha toa ka misy fepetra mazava ny fampidirana azy any an-tsekoly. Mba hahafahana manasongadina io maha zava-dehibe azy io, mila ampiarahana amin’ny fahafehezan’ny olombelona sy ny fiarahamonina azy io fitaovana io, fa tsy soloina akory. Tokony mijoro ho tolotra ho an’ireo mpanabe sy mpianatra, hahatonga azy ireo hahaleotena ny IA”, hoy hatrany ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny Unesco.
Mizarazara ny hevitra
Manomboka mahazo vahana ankehitriny ny fampiasana ny “intelligence artificielle” any amin’ny sehatry ny fanabeazana. Any aminireo firenena mandroso, ohatra, dia ny 2/3-n’ireo mpianatra any amin’ny kolejy no efa mampiasana ny “intelligence artificielle”, hamokarany ny asa tokony hatao any an-tsekoky. Mampiasa bebe kokoa hatrany ny IA ireo mpampianatra ao anatinny fanomanana ny fampianarana ampitainy sy ny fanaovana tombana ny asan’ireo mpianany. Ampiasaina io IA io ihany koa ny tondrozotra ara-panabeazana izay notarihana mpampianatra sy matihanina hatrany hatramin’izay.
Ankilany anefa, tsapa fa mbola tsy mahavoafehy ny fampiasana ny “intelligence artificielle” ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, hoy ny tatitry ny Unesco. Raha ny fanadihadiana notanterahana tamina sekoly miisa 450 tamin’ny taona 2023 dia tsy misy afa-tsy ny 10%-’ireo sekoly sy Oniversite ihany no mampiditra ofisialy ny fampiasana ny IA. Tamin’ny 2022 indray, firenena 7 ihany no namolavola tondrozotra na fandaharanasa mahakasika ny IA ho an’ireo mpanabe, ary firenena 15 ihany no nampiditra tanjon’ny fampiofanana mahakasika ny IA ao anatin’ny fandaharam-pianarany. Manampy izany, mihabetsaka ihany koa ankehitriny ny firenena mandrara ny fampiasana ny teknolojia vaovao any an-tsekoky. Raha ny antontanisa farany avy amin’ny Unesco, ny 40% amin’ny firenena ankehitriny no manana lalàna na politika mandrara ny fampiasana finday any an-tsekoky, raha toa ka mbola 24% ny antontanisa tamin’ny taona 2023.
Mila mametraka tetibola manokana
Ho an’ny Unesco, tokony ho fitaovana hamaly ny filàn’ny mpianatra sy mpanabe ny “intelligence artificielle”. Eo amin’io lafiny fanabeazana io dia namoaka ny tondrozotra mamaritra ny anjara asan’ny IA ao anatin’ny fanabeazana sy ny fikarohana ny Unesco tamin’ny volana septambra 2023. Avy eo nivoaka tamin’ny taona 2024 farany teo ny vokatry ny fanadihadiana 2 momba ny IA any amin’ny ankizy sy ny mpanabe, manambara ny tombontsoa sy ny mety ho voka-dratsy amin’ny fampiasana io fitaovana io. Ny famoahana izany dia ny mba hampiasana ara-drariny, azo antoka sy ao anatinny fampiatiana io fitaovana io. Nomarihin’ireo fanadihadiana ireo ihany koa fa tokony hisy ny taona fetra hahazoana mpampiasa ny IA any an-tsekoky dia manomboka eo amin’ny faha-13 taonan’ny mpianatra izany.
Noho ireo rehetra ireo, manentana ny firenena mba hametraka tetibola manokana hampiroboroboana io fampiasana ny “intelligence artificielle” eny anivon’ny sekoly io ny Unesco, ary hampitomboana hatrany izany. Tsy tokony hafangaro na mbola alaina indray amin’ny tetibola efa natokana ho an’ny fanabeazana anefa ny fanatanterahana izany. Iaraha-mahalala mantsy fa mbola mila fanohanana betsaka ihany koa io lafiny fanabeazana io eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Sekoly ambaratonga fototra 1 amin’ny 4 no mbola tsy misitraka herinaratra ary ny 60% amin’izy ireo dia tsy manana fahafahana mpampiasa aterineto akory. Mila atao laharam-pahamehana hatrany aloha ny filàna fototry ny sekoly: mila sekoly tsara tantana sy ampy fitaovana, misy mpampianatra tsara hofana sy mikarama araka ny tokony ho izy.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




