
PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FANAVAOZANA NY TONTOLON’NY FAMOKARANA : Hanome lanja ny tantsaha sy hampamiratra ny famokarana eto Madagasikara
Fanoitra ho amin’ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy ny toekarem-pirenena ny fanavaozana ny tontolon’ny famokarana eto Madagasikara. Hampitombo ny harin-karena faobe, ary hahalasa sompitry ny Ranomasimbe Indiana sy ny Kaontinanta afrikana eo amin’ny famokaram-bary, izay tsy maintsy ho tanteraka, raha ny nivoitra teny amin’ny CCI Ivato, fotoam-panombohan’ny Fikaonan-doha fakan-kevitra nasionaly ny fanavaozana ny tontolo ara-pamokarana io…
Manomboka eto ny tena fanomezan-danja manokana ny tantsaha. Ny malagasy rehetra mihitsy no mila mamboly sy mamokatra, dia ny fambolena toe-tsaina mahay mamokatra, manangana ary mamorona, lavitry ny toe-tsaina mamotika sy mandrava, hoy ny Filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fanokafana ofisialy ny Fikaonan-doha fanavaozana ny tontolo ara-pamokarana eto Madagasikara, na ny « Journée de Concertation nationale sur la Transformation agricole ». Manoloana ireo ambana maro mahazo ny famokarana eto Madagasikara, toy ny tsy fisian’ny rotsak’orana any Alaotra mangoro amin’izao fotoana, ohatra, dia nanamafy ny fanentanana amin’ny rehetra ny tenany, mba tsy hahay hamotika tontolo iainana fa hahay hanangana sy hikajy. Ny fambolena no handresena ny fahantrana eto, hoy ny Filoha Rajoelina, ary isika dia ho fahatelo mpamokatra vary be indrindra aorian’i Nigeria sy Ejipta. Ho fahatanterahan’izany dia nambaran’ny Filoha, fa hamafisina ny fanomezana fitaovana madinika ka hatramin’ny vaventy indrindra, ny masomboly ary zezika ho an’ny tantsaha. Manomboka any amin’ny fanamboarana ireo toho-drano izany, ka hatrany amin’ny fambolena, izay mitaky fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra ifotony, Governoran’ny faritra sy ny Solombavambahoaka. Araka izany, nohamafisin’ny Filoha, fa ny tantsaha no handresy ny fahantrana eto amintsika, ary hampitombo ny tanjaka ara-toekarentsika. Tsiahivina, fa raha 03 taonina eo isaky ny hekitara ny famokaram-bary teo aloha, dia hiakatra hatramin’ny 10 taonina isaky ny hekitara izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Hampiditra vola 06 tapitrisa isaky ny hekitara, araka izany, ireo tantsaha. Ankoatra izay, nanentana ho amin’ny tokony hambolen’ny Malagasy rehetra isan-tokantrano ny Filoha, dia ireo karazana legioma ilaina andavanandro, mba ho fiaraha-mientan’ity fanavaozana ny tontolon’ny famokarana eto Madagasikara ity.
Paikady hamaha olana eny ifotony
Misy ireo paikady mazava andrasana taorian’ny Fikaonan-doha nasionaly nakàna ny hevitr’ireo mpisehatra ara-pamokarana eto Madagasikara nandritra ny roa andro momba ny Fanavaozana ny tontolon’ny fambolena eto Madagasikara. Nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Hajarison Sergio, fa paikady hamaha ny filàna misy eo anivon’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana no hisongadina ao anatin’izany, toy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny fizarana hanam-pamokarana, ka tanjona ao anatin’izany, dia ny mpisitraka rehetra no hivoatra sy hahazo tombony. Ho fantatra ny tena velaran-tany ananan’ny tantsaha tsirairay hahafahana manao ny kajikajy hahafantarana ny hanam-pamokarana omena ny tsirairay, anton’ny fampiasana nomerika mba hananana angon-toro mazava. Eo koa ny paikadim-pizarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia, sy ny fomba fametrahana barazy na toho-drano izay mila ampanarahana ny fenitra ara-pambolena, mba tsy ho fandaniana be intsony ny fa hampiasana teknika fanaon’ireo firenena mpamokatra indrindra maneran-tany. Eo anoloan’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, izay nampisy olana hatramin’izay teo amin’ny tsy fisian-drano, dia hojerena manokana ny fomba tsy iankinan-doha mahazatra intsony amin’ny rotsak’orana. Santionan’ireo paikady andrasana anatin’ity anio ity, fotoam-pamaranana io fikaonan-doha nasionaly io izany, izay nomarihan’ny Minisitra, fa mamaha olana mivantana sy mamaly ny filàna misy eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Fahaleovan-tena ara-bary no tanjona
Io fikaonan-doha natao omaly sy androany io moa, ankoatra ny fanangonana ireo hevitra avy ifotony, dia eo ny fifampizarana traikefa manoloana ny hamaroan’ireo tantsaha sy ny tsy miankina misehatra amin’ny famokarana ara-pambolena sy fiompiana tonga teny Ivato. Raha hiverenana, dia teo anelanelan’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2024 dia niakatra ho 04% ny tahan’ny voka-bary teto Madagasikara. Andanin’izany anefa, ny taham-pitomboan’ny mponina dia tsy nisy afa-tsy 2,9%, izay midika fa tao anatin’ny enin-taona dia ny taham-pamokaram-bary teto amintsika no ambony noho ny fitombon’ny mponina, saingy nisy ny tsy fahampian’ny vokatra tany aloha ka antony nanaovan’ny Fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny fametrahana fanamby tanterahin’ny Minisitera tompon’andraikitra, izay hanatrarana ny voka-bary fanampiny hatramin’ny 01 tapitrisa taonina, iaraha-mifarimbona amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eo indrindra no antony ampiasana ny masomboly vary safiotra, izay ezahina apariaka manerana ny Nosy, ary efa manomboka mahazo vahana ankehitriny, raha ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Tahian’Ny Avo Razanamahefa.
Minisitera maromaro miara-mientana
Miara-mientana hifanome tanana amin’ny Minisitera roa tonta miandraikitra ny fambolena sy fiompiana amin’ny fanatanterahana ity Fanovana ara-pamokarana ity ireo minisitera maromaro, anisan’izany ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Jono sy ny toekarena manga, ny tetikasa Fihariana. Ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fikaonan-doha nasionaly teny amin’ny CCI Ivato ity, notronon’ireo mambran’ny Governemanta maro, olom-boafidy sy olom-boatendry, mpisehatra isan-tsokajiny sy mpiara-miombon’antoka vahiny monina sy miasa eto amintsika, ary ny tantsaha maro avy amin’ny lafy valon’ny Nosy. Hifarana anio moa ity fikaonan-doha eny amin’ny CCI Ivato ity.
Stan R.



