Songadim-baovaoToekarena

ZOTRA NASIONALY SY REJIONALY: Hisy fidinana ny saran-dalana manomboka amin’ny herinandro

Taorian’ny fanambaran’ny Fitondram-panjakana momba ny fidinan’ny vidin-tsolika sy ny fampiharana ny vidin-tsolika teny izy dia nandray fepetra mifanaraka amin’izany ireo mpitatitra sy mpitantana tobim-piantsonana. Araka izany dia nisy ny fanambarana miaraka nataon’ireo mpitantana tobim-piantsonana amina zotra rezionaly sy nasionaly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, ary ireo mpitatitra omaly. Vontoatin’io fanambarana io ny fanitsiana ny saran-dalana amin’ny zotra nasionaly sy rejionaly, manomboka amin’io herinandro ho avy io.

“Manoloana ny fampiharana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia nikaon-doha izahay mpiandraikitra tobim-piantsonana zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny mpitatitra, fa hisy ny fanitsiana ny saran-dalana araka izao manaraka izao: taorian’ny fampidinana ny vidin-tsolika dia hisy ny fampidinana ny saran-dalana manomboka amin’ny herinandro ho avy io. Ny andinindinin’izany saran-dalana izany dia ho hitantsika isaky ny tobim-piantsonana”, hoy ny fanambarana iraisana. Midika ihany koa izany fa hisy fiovana manombok’izao ny saran-dalana hampiharina, arakaraky ny vidin-tsolika mihatra eto Madagasikara.

Tamin’io omaly io, nisy tamin’ireo mpitatitra sasany no efa nampahafantatra tamin’ireo mpanjifany ny saran-dalana hihatra manomboka amin’ny alatsinainy 27 janoary. Ho an’Antananarivo-Antsirabe, ohatra, dia lasa 18 000Ar ny saran-dalana. 7 000Ar Antananarivo-Ambatolampy, ary 8 000Ar Antananarivo-Ambohimandroso. Tsara ny manamarika fa miisa 324 ireo zotra rezionaly eto amintsika, raha toa ka miisa 103 ireo zotra nasionaly.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer