Vaky Bantsilana
“Tanjona tokana… vina tanteraka!”
Tsy mamela anao hipetrapetraka…! Adidy aman’andraikitra tena masina izany hoe fitondrana firenena. Na iza na iza manana adidy ho amin’izany, na tsy izy Filoham-pirenena ihany aza, fa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry natao hiara-dalana aminy, mitovy fijery aminy amin’izay fampandrosoana tiana hapetraka, dia tsy afaka milaza aloha hoe, mandry lavo loha amin’izao fotoana. Soroka miara milanja sy tongotra miara-mamindra io, ary matoa nisy ny fifidianana maro natao rehefa tonga ny dimy taona sy ny efa-taona, dia mbola ao raha! Raha ny vina napetraky ny Filoha, dia fantatra fa efa eo am-panatanterahana azy tsikelikely amin’izao fotoana, ary tsy avelany tokoa raha tsy tanterany hatramin’ny farany, satria fampandrosoana no nimatimatesana nirotsahana. Tsy maintsy misy tokoa ny jery todika hitarafana ny ho avy, ka rariny raha nanana fotoana toy ireny izy, nahafahany nilazalaza ny zava-misy, fa indrindra izay heverin’ny fa hahafahana mandoto saim-bahoaka, kanefa toa misy venti-kevitra nijoroana ka hahasoa. Nisy mantsy ny resabe nandeha, mikasika ny hoe hanovana ny Lalàm-panorenana, hanalavana ny fotoam-piasan’ny Filoha. Namaly tamim-pahamendrehana ny tenany, fa ny fahatanterahan’ireo vina anatin’ny fotoana nomen’ny vahoaka azy no laharam-pahamehana izao, fa tsy ny hikitika lalàna, hahafahana manao kajikajy politika hanimbana ny fandehan’ny lamasinina haingam-pandeha indray!
Efa maro lafy sahady ireo ezaka vitan’ny fitondrana ankehitriny, raha tsy hilaza, afa-tsy ireo fotodrafitrasa maro nampanantenainy, tsy nivoana tamin’ireo vina napetraka. Teo ny ara-ekonomika, nanavaozana sy nanampiana ireo ozinina lehibe manodina ny ara-toekarentsika amin’ny lafiny maro. Fa teo koa ny fitsinjovana ny ara-tsosialy, dia ny fijereny ny ara-panabeazana, ireo fotodrafitrasa iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro, toy ny fananganana paompy hisian’ny rano fisotro madio, ny tsena sy ny hopitalim-bahoaka maro isan-karazany. Eo koa ny fanavaozana ireo vakoka rehetra eto amin’ny Nosy, izay mampalaza antsika, ka hanasongadinana ny maha malagasy… Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, fa ny fahatanterahan’izany rehetra izany, sy ny fitohizan’ireo vina efa nisy no imasoany…
Tsy ireo sehatra voatanisa ireo ihany no nametrahany ny vina, fa eo koa ny fomba fitantanana ny volam-panjakana hatramin’izay, izay toa zary lasa tantely afa-drakotra mihitsy tamin’ireo fitondrana nisy teo aloha. Ankoatra ireo mbola hita fa tokony hisy fanamboarana sy fanavaozana, dia fantatra aloha izao, fa tsy hisy afa-tsy 18 ny isan’ireo loholona, manomboka ny taona 2021. Ho tapitra amin’ny febroary 2021 mantsy ny fe-potoam-piasan’izy ireo, izay mahatratra 63 be izao, ka nangatahan’ny Filoha ny hanafoanana azy, saingy ny hanenana isa azy ireo no tanteraka izao, ka fepetra tongasoa izany, ary mba manantena ny vokatr’izany amin’ny fiainany andavanandro ny vahoaka. Eo aloha ny fananganana Oniversite efatra isan-taona, raha ny nambarany ny alahady lasa teo. Ny vahoaka aloha, satria ny tanora no hoavin’ny firenena aoriana. Hita tokoa fa tsy misy zavatra natao tamin’ny fahataitairana teto, fa efa tamin’ny faha-100 andro nitondrany ny Filoha, dia efa namariparitra, ary efa tamin’ny fotoana nanaovany fampielezan-kevitra aza, dia efa naloakan’ny vavany izany fanafoanana loholona, izay mandany volam-panjakana fotsiny izany. Raha 25 miliara Ariary hariam-potsiny, tsy aleo tokoa hananganana fotodrafitrasa hamolavolana ny zanaka malagasy?
Aoka tsy ho variana ! anisany vina napetraka ihany koa ny lafiny ara-pahasalamana. Tsy hay ny tsy hilaza kely mikasika ity ady amin’ny valanaretina mbola misy eto amintsika ity. Fantatra tokoa, fa efa mivaha avokoa izao ny geja rehetra namatotra ny malagasy, teo amin’iny resaka fihibohana iny. Tsy azo atao anefa, ny marivo salosana, ka handeha hijobo-drano tsy hahay… Ny fahitan’ny fitondrana ny fahavoazana ara-toekarena sy ny ara-tsosialy teto, ary koa ny fahitana fa efa manara-dalàna avokoa ny ankamaroan’ny rehetra, eo amin’ny fanatanterahana ireo fepetra ara-pahasalamana, no antony. Mivaha izao ny zotra, hifamezivezy ny avy amin’ny faritra maro, eto an-dRenivohitra. Rehefa voaharaka an-tsakany sy an-davany, anefa ireo fepetra, inoana fa tsy misy ahiana ny amin’izany, ho resy tosika hatrany io valanaretina io, isika koa efa niala tamin’ny vanim-potoanan’ny ririnina, efa manomboka manjaka ny hafanana. Aoka koa mba samy ho tompon’andraikitra, fa tsy miandry hofaizina hatrany vao tonga saina, eo am-panatanterahana ilay tsy fahafahana mifamezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 11 ora…