Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO : Tambazotra mpanondrana vehivavy any amin’ny tany Arabo ravan’ny Polisim-pirenena
Miezaka hatrany mamaritra sy manangona ireo loharanom-baovao ny eo anivon’ny Polisim-pirenena, manoloana ny fanondranana olona an-tsokosoko. Nahitam-bokany izany, ka fantatra, fa nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny Polisim-pirenena, ny 16 janoary 2025 lasa teo, teny amin’ny faritra manodidina an’Anosy, niarahana tamin’ny Sampan-draharaha misahana ny famoahana pasipaoro, no nahatratrarana olona 15 mianadahy nampiahiahy ka nanaovana fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany, fa kasaina halefa any Oman, any amin’ny tany arabo ny vehivavy 09 tamin’izy ireo, raha tompon’antoka amin’ny tambazotra mpanondrana olona an-tsokosoko any ivelany ny 06 mianadahy ambiny. Voaporofo nandritra ny fanadihadiana hatrany, fa manamboatra karazana antontan-taratasy hosoka marobe hahafahana mahazo pasipaoro, ity tambazotra saron’ny mpitandro filaminana ity. Natolotra ny fitsarana, ny 21 janoary 2025 ny raharaha, ka naiditra an-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona 06 mianadahy tompon’antoka tamin’izany.
Stan R.




