Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SAIKA HANONDRANA SOKATRA MIISA 2 700: 19 mianadahy naiditra eny Tsiafahy sy Antanimora
Rava ny tambazotra lehibe mpanondrana sokatra an-tsokosoko. Taorian’ny tranga tany Mahajanga izay nahatrarana tanzanianina saika hanondrana sokatra Radiata miisa 800 dia nisokatra ny fanadihadiana. Rehefa avy natolotra ny fitsarana ny raharaha dia olona miisa 19 naiditra am-ponja vonjimaika. Eny Tsiafahy ny lehilahy 13, raha toa ka vehivavy miisa 6 nalefa eny Antanimora.
Nametraka fitoriana ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) taorian’ny raharaha nahatrarana teratany tanzanianina iray saika hanondra an-tsokosoko sokatra Radiata miisa 800 tamin’ny takarivan’ny 27 desambra 2024, tany Mahajanga. Nisokatra avy hatrany taorian’izay ny fanadihadiana niarahana tamin’ny Posilim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena ka nahitam-bokatra ankehitriny. Namoaka tatitra izy ireo tamin’ny sabotsy lasa teo fa olona 19 mianadahy voasaringotra ao anatin’izao raharaha izao no naiditra am-ponja. Rehefa avy natolotra ny fitsarana dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy miisa 13, raha toa ka eny amin’ny fonjan’Antanimora no migadra vonjimaika ireo vehivavy 6. Nogiazana kosa ny basy, fiara, moto ary tranon’ireto jiolahy ireto.
Niainga tany Mahajanga tamin’io fahatrarana teratany tanzanianina io, araka izany, no nanombohan’ny fanadihadiana. Nitohy tany amin’ny Faritra Menabe sy tany Androy izay nahatrarana ny mpanera sy mpaka an’ireo sokatra any am-potony. Avy eo tao Mahajanga izay nahatrarana ireo mandray an-tanana ny fanondranana ireto sokatra ireto any ivelany. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao samihafa hatrany moa no nahafahan’ny sehatra telo tonta nandrava ity tambazotra lehibe ity. Raha ny tanjona dia sokatra manodidina ny 2 700 isa no saika haondrana saigy izao voasoroka izao ny asa ratsy.
Raharaha anisan’ny goavana indrindra amin’ny fandravana tambazotra mpanondrana sokatra ity tra-tehaka ity, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nomarihin’ny Ministera fa noho ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia tratra ihany koa ireo tena mpanafatra ny sokatra saika haondran’ilay tanzanianina, dia teratany sinioa roa any Tanzania. Hamafisina hatrany ny ady amin’ny fitrandrahana, famarotana sy fanondranana an-tsokosoko ireo harena vaojanahary.
Sarobidy Sidonie.




