Songadim-baovaoSosialy
FAHAVAKISANA FEFILOHA ENY AMPITATAFIKA : Tanimbary 350Ha tondra-drano, mpamboly 650 lasibatra
Nisitraka fahabetsahan’ny rotsakorana hatrany ny teto Antananarivo renivohitra tamin’iny herinandro lasa iny. Vantany vao naharay ny bileta avy amin’ny sampan’ny famantarana ny toetry ny andro mahakasika izany dia efa niomana amin’ny fiarovana ny lemak’Antananarivo ny tompon’andraikitra. Noho ny rotsak’orana nifanesy anefa dia nisy fahavakisany ny fefiloha teny Ambohimirary Ampitatafika tamin’ny harivan’ny alakamisy 23 janoary lasa teo. Vokany, maro ny fahavoazana naterak’io fahavakisana fefiloha io. Misongadina ny tondra-drano nahazo ny tanimbary mirefy 350Ha ka mpamboly miisa 650 no lasibatra. Noho io zava-mitranga io ihany koa dia tsy afaka mivezivezy ny mponina satria miakatra ny rano.
Manoloana ny voina dia mifarimbona amin’ny fifanomezan-tanana ny avy amin’ny APIPA, ny BNGRC, ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena ary ny fokonolona eny an-toerana. Asa tsy maintsy nirosoana ny fanarenana vonjimaika ny fotodrafitra mba tsy hisian’ny mety ho fihitaran’ny fiantraikan’ny fiakaran’ny rano. Miaramila miisa 150, zandary miisa 20 ary solotenan’ny fokonolona miisa 20 no niara-nifanome tanana tamin’izany asa izany, tamin’ny sabotsy lasa teo. Fanatsara tokony hatao eny an-toerana ny fanamboarana ireo lalan-drano sy fampiakarana ny hahavon’ny lalana mba hitovy tantana. Ho fanatanterahana izany dia nanolotra hazo miisa 500 sy gony 500 ny APIPA. Nampian’ny BNGRC hazo miisa 750 sy gony 1 000 isa. Miaraka amin’ireo ny fanolorana tady sy tantanana handetehana anaty rano sy hanamafisana an’ilay rindri-gonim-pasika arafitra mba hikatonan’ilay fahavakisana teo amin’ny fefiloha.
Tsara ny manamarika fa efa nidina nanao fitiliana teny an-toerana ihany koa ny Ministeran’ny Asa Vaventy amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny asa anaty hamehana, sy ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy eto Analamanga. Nijery ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra tokony hatao.
S.S



