Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY ANDRAHARO : Roa lahy mpiasa amina haino aman-jery namoy ny ainy

Lozam-pifamoivoizana roa samihafa no niseho ny fiandohan’ny herinandro teo ity, izay samy namoizana ain’olonaa avokoa. Ny iray teny Andraharo, ny alin’ny alahady 26 janoary, izay namoizana ain’olona roa, raha teny Masay ny iray hafa, omaly tokony ho tamin’ny 09 ora maraina, izay namoizana ain’olona iray hafa ihany koa. Vao erotrerony avokoa ireto namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny alin’ny alahady teo ireto, ary samy nikatroka teo anivona haino aman-jery tsy miankina iray. Fantatra amin’ny anarana Antsapitiavana Dimbiniaina Miadana Alifara, sy Andriamanjaka Fanomezantsoa Nantenaina (Twady), ary samy 25 taona. Raha ny zava-nitranga teny Andraharo tamin’io alina io, dia voalaza fa nifandona tamina fiara mpitatitra mpiasa amin’ny alina ny kodiaran-droa nentin’izy ireo, raha iny hamonjy fodiana hihazo an’Ambohimanarina iny. Maty teo noho eo ny iray, raha tonga teny amin’ny hopitaly vao nokasaina hiala-nenina no maty ny iray. Tsy nahazoana fanampim-panazavana mikasika ity lozam-pifamoivoizana ity kosa, ny teo anivon’ny sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny aro lozan’ny fifamoivoizana (BAC). Samy Mpamokatra fandaharana avokoa no asan’izy roa lahy ireto tao amin’io haino aman-jery iray tsy miankina io. Omaly alina moa, vao tafala teny amin’ny hopitaly HJRA ny nofo mangatsiakan’izy roa lahy ireto, ary nampandalovina teny amin’ny toeram-piasany eny amin’ny Digy, ary samy entina mihazo ny tany niaviany avy. Ny eto anivon’ny vondrona Free Communication dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny mpiara-miasa aminy iray manontolo.

 

Fa ny lozam-pifamoivoizana iray hafa nitranga teny Masay, dia tovolahy iray no nindaosin’ny fahafatsena. Voalazan’ny nanatri-maso, fa voasariky ny kamiao lehibe ny familiana ity kodiaran-droa, ary nisarika azy ho tafalatsaka tao ambany kodiarana be. Maty teo noho eo koa ity tovolahy ity, raha ny fampitam-baovao voaray.

 

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer