PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA AN-TAMPONY MOMBA NY ANGOVO « MISSION 300 »: Vonona i Madagasikara hiroso amin’ny fanovana momba ny famokarana angovo
Niatrika ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena momba ny angovo « Mission 300 » ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo delegasionina, afakomaly sy omaly. Dingana iray lehibe amin’ny fanatrarana ny tanjona, ny fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, ny fandraisantsika anjara amin’ny fihaonana an-tampony momba ny angovo tanterahin’ireo Filoham-pirenena afrikanina miisa 32, any Dar Es Salaam, Tanzanie. Lohahevitra moa ny « fanomezana angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro eto Afrika ». Tarigetra ny fandrindrana ny ‘ »Mission300″, izay mikendry ny fanomezana herinaratra ho an’olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030. Anisan’ireo Firenena 12 voalohany manana ny « Pacte National Energetique » hanatrarana izany tanjona izany i Madagasikara. Ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena momba ny angovo « Mission 300 » dia manamarika ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana malagasy hiroso amin’ny fanovana eo amin’ny famokarana angovo sy fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto amin’ny firenena.
Nisy ny fihaonana niarahan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny Tale Jeneraly Lefitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, Andriamatoa Bo Li. Nampahafantatra ireo fanamby sy ireo fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana malagasy eo amin’ny sehatry ny angovo ny Filohan’ny Repoblika. Anisan’izany ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hampihena ireo « subventions » omen’ny Fanjakana ny Jirama, ny fizarana ireo « kits solaires », ny fanitsiana ny vidin’ny solika, sns…
Nankasitraka ny FMI…
Nankasitraka manokana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana malagasy ity solontenan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ity, ary nanantitra ny fanohanan’ny FMI ireo laharam-pahamehan’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fampiroboroboana ny famokarana angovo azo havaozina ary ireo fanovana rafitra ilaina amin’izany. Anisan’ireo firenena nanao sonia ny Fanambaran’i Dar es Salam koa i Madagasikara, izay manamafy ny fahavononan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fanapariahana ny angovo ho an’ny rehetra.
Ho an’i Madagasikara manokana, izay mikendry ny hampitombo ny tahan’ny fisitrahana herinaratra hatramin’ny 80% hatramin’ny 2030, raha toa ka 36 % izany ankehitriny, ka mizara telo ny famatsiam-bola ireo tetikasa : 60 % avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny 10 % avy amin’ny Fanjakana malagasy, ny 30% avy amin’ny Findramam-bola ataon’ny Fanjakana. Taratra sahady amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina « 3P ». Manohana ity hetsika « Mission 300 » ity moa ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana.
Pierre M.




