Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA SY FANAPOHANA SOLIKA: Valo mirahalahy sarona, kamiao “citernes” fito nogiazana

Tambazotra amin’ny halatra sy fanapohana solika no ravan’ny Zandary rehefa natao ny vela-pandrika, tamin’ny lalam-pirenena faharoa. Valo lahy izy ireo no indray tra-tehaka, raha nahatratra 231.000 l ny solika sarona, niaraka tamin’ny kamiao « citernes » fito sy bidao miisa 71, raha ny nambara omaly. Sarona tao Ankarefo Ambodinifody, Distrikan’i Moramanga ireo akora sy fitaovana nataon’ireo andian'olona mpanao asa fanapohana solika ireto…

Tsy afa-bela ! Tambazotra amin’ny halatra sy fanapohana solika no indray ravan’ny Zandary rehefa natao ny vela-pandrika, tamin’ny lalam-pirenena faharoa iny. Valo lahy izy ireo no indray tra-tehaka, raha nahatratra 231.000 l ny solika sarona, izay nahitana gazoala, lasantsy ary solitany niaraka tamin’ny kamiao « citernes » fito sy bidao miisa 71.  Sarona tao Ankarefo Ambodinifody, Distrikan’i Moramanga ireo akora sy fitaovana nataon’ireo andian’olona mpanao asa fanapohana solika ireto. Taorian’ny angom-baovao maro samihafa, nitohy tamin’ny alalan’ny tsongodia sy ny fidirana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, tamin’ny alalan’ny fanomezan-dalan’ny Fitsarana.

Nirotsaka tampoka tany Moramanga, amin’ny RN2, ny ekipan’ny Sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana, notronin’ny zandary avy ao amin’ny Kaompania Moramanga. Sarona tao Ankarefo, kaominina ambanivohitra Ambodinifody, Distrikan’i Moramanga ireo akora sy fitaovana, niaraka tamin’ireo andian’olona mpanao ny asa fanapohana solika. Tsara ho marihina fa ireo fiarabe mpitatitra solika dia mihidy « scellé » avy any am-piaingana ka tokony ho any amin’ny fiantsonana vao hoesorina, saingy efa nesorin’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ary ireo mpiray afera avokoa ny « scellé » napetaka ho fiarovana amin’ireo fiarabe. Taorian’ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana, dia nahatratra valo ireo sarona, ka isan’ireny ny mpamily sy mpanampy, izay miisa valo. Nogiazana avy hatrany ireto fiarabe ireto ka ny eo anivon’ny OMH no misahana ny fitiliana. Izy valo mianaka kosa, dia hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana atao azy ireo. Ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoranafo moa no tompon’ny fitoriana ireto mpanapoka solika, izay heverina fa fanetriben’ny firenena satria manimba ireo fiara ny fisian’ny solika mitapoka.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer