PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA POLITIKA: “Lany lainga ny mpanohitra”

Efa lany lainga ny mpanohitra eto Madagasikara ankehitriny, satria raha ny zava-misy dia fanoherana ny asa fampandrosoana sy ny asa sosialy ataon’ny Fitondram-panjakana no katsahin’izy ireo isan’andro. Naneho hevitra mikasika ny fanambaran’ny vovonana “firaisankina” ny Loholona Tsiebo mahaleo...

Milaza miara-mahita amin’izao fotoana, raha ny ezaka tanterahin’ny Fitondram-panjakana, fa mifanindran-dalana tanteraka amin’ny asa fampandrosoana ny asa sosialy tanterahiny. Raha alaina ohatra amin’izany ny fanaovana “vary safiotra” aparitaka amin’izao fotoana io, izay hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy tsy hanafaram-bary intsony, afaka roa taona noho ny fitomboan’ny taham-boka-bary azo avy amin’izany. Eo ny tetikasa “Ankohonana mirindra”, “tetikasa Tsimbina”, sy ny sisa izay samy itondrana vahaolana maika sy maharitra entina hampihenana ny vesatry ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao fotoana. Anisan’izany koa ny efa nampidinana ny vidin-tsolika. Izany rehetra izany anefa, dia mbola toherin’ny mpanohitra ihany, ary namafisin’ny Loholona Tsiebo Mahaleo, fa izay fepetra rehetra raisin’ny Fitondram-panjakana hanamaivanana ny fiantraikan’ny fisondrotry ny vidim-piainana dia toherin’izy ireo hatrany. “Satrin’ny mpanohitra hijaly farahidiny ny vahoaka mba hahafahany manodinana ny sainy ho any amin’ny fanakorontanana, hanjary fitaovana hakàna fahefana amin-kery”. Manaporofo izany, hoy izy, ny faharesen’izy ireo nandritra ireo fifidianana in-telo nifanesy teto, izay tsy nahazoan’izy ireo fahefana sy ny maro an’isa, ka vahaolana farany ho azy ireo ny fakàna fahefana amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Manao ny tsy fanao no niafarany ka lasa miteniteny foana hoe “tsy hanongam-panjakana fa hanongana fitondrana”. Fanabadoana olona izany, hoy ny Loholona, satria nambarany, fa “ny vono olona an-kitsirano na ny fanapahana ny tendany dia samy midika famonoana ho faty ihany”.

Ny zava-misy ihany koa dia milaza fa mampalahelo ny mpanohitra ny ezaka sy zava-bitan’izao fitondrana izao ka tadiavina hotapahina. Amin’izy ireo ny seza ananam-pahefana no tanindrazana, izay midika mazava fa olon’ny fahefana izy ireo, fa tsy olom-panjakana, hoy ny Loholona. Ny tsy fahazoan’izy ireo seza izany, dia midika fanohizany hatrany ny fanoherana bontolo fanaony hatramin’izay, eny hatramin’izay tsapany fa mety. Ny zava-misy tamin’ny 20 sy 30 taona lasa no tadiavin’izy ireo haverina eto, dia ny fampijaliana vahoaka sy ny fampiasana ho fitaovana azy hitadiavan-tseza bôjo, izay mifanohitra tanteraka amin’ny maha tany demokratika antsika. Nomarihan’ny Loholona, fa “tsy mbola nisy fizarana fahefana nahazon’ny vahoaka tombony teto Madagasikara hatramin’izay, fa vao maika naha farahidiny azy”, manoloana ny faniriana fizaran-tseza katsahin’ny sasany eto, anisan’izany ireo milaza ho Raiamandreny mikasa hampihaona an-databatra boribory. Eo koa ny filazan’ny mpanohitra hiantsoany ny iraisam-pirenena hifanohana aminy hanala ny mpitondra, izay midika fiantsoana vahiny hanasazy indray an’i Madagasikara. Ny tena fositra, dia ny famadihana tanindrazana hiantsoana mpanjanan-tany hanjanaka eto indray amin’ny endriny vaovao, toy izay niseho nanomboka ny taona 1896 nahatongavan’ny mpanjanaka teto voalohany, hoy ny Loholona Tsiebo Mahaleo.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer