Songadim-baovaoToekarena

FAMPITOMBOANA NY FAMOKARANA: Faritra enina hametrahana ozinina mpamokatra zezika

90%-n’ireo mpamokatra ankehitriny no tsy mampiasa zezika mineraly noho ny vidiny tsy takatry ny fahefa-mividin’ireo tantsaha, araka ny nivoitra tao amin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Noho izany indrindra no nahatonga ny Filohan’ny Repoblika hanome toromarika ny hananganana ozinina mpamokatra zezika mineraly eto an-toerana ihany mba hampihena ny vidiny ho an’ireo tantsaha. Faritra enina tena mpamokatra no hametrahana ireo ozinina mpamokatra zezika : Sofia, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Boeny, Analamanga ary Menabe. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ho fanatanterahana izany tetikasa izany, izay hifanindrandalana amin’ny fiofanana omena ireo tantsaha hanohanana ny famokaran’izy ireo. Eo ihany koa ny fananganana ireo ozinina mpamokatra zezika organika izay hiarahana manatanteraka amin’ny firenena Emirats Arabo Mitambatra izay vonona hanohana ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanovana ny fambolena. Tanjona ny hamokarana zezika organika 30.000 taonina isan-taona ho fampitomboana sy fanatsarana hatrany ny vokatra eto Madagasikara.

Fitsinjarana fitaovam-pamokarana

Ankoatra izay, noresahina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly koa ny momba ny fitsinjarana ireo fitaovam-pamokarana toy ny masomboly sy zezika izay tafiditra ao anatin’ny Fandaharan’asa Vary Safiotra. Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hamokarana vary 1.000.000 taonina fanampiny, ka ny 176.000 taonina amin’izany dia vary safiotra. Tanjona ny hampihena ny fanafarana vary avy any ivelany sy hahatrarana ny fahavitan-tena ara-bary amin’ity taona 2025 ity fa indrindra ny hahafahan’i Madagasikara manondrana vary manomboka ny taona 2027. Faritra miisa 12 no hizarana ireo hanam-pamokarana ireo, izay hifanomezan-tanana amin’ny sehatra tsy miankina. Hozaraina ao anatin’izany tetikasa izany: masomboly vary safiotra 200 taonina, zezika NPK 2400 taonina,  « urée » 800 taonina, ary zezika organika 2800 taonina.

Tanjona ny hamokarana 7 hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara amina velaran-tany 8000 Ha ho amin’ny janoary – avrily 2025. Hisy ihany koa ny « vanneuses » miisa 2133 sy « batteuses » miisa 2133 izay hahafahana mampihena 5% ny taham-pahaverezana mandritra ny fijinjana sy hanohanana ireo mpiantsehatra eo amin’ny fambolena ho matihanina.

Efa tonga eto an-toerana moa ireo masomboly vary safiotra 200 taonina ireo, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa ary hanomboka ny fizarana ofisialy izany ny Filohan’ny Repoblika ary hitarika ny fitsinjarana manerana ny Nosy kosa ny Sekreterampanjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tokony hamokarana ny masomboly vita eto amintsika ihany. Efa mandroso ny fikarohana eo anivon’ny FOFIFA mikasika ny vary TSEMAKA, ary tokony hamafisina tanteraka izany. Ny tanjona dia amin’ny herintaona dia efa afaka hanana ny masomboly antsika tanteraka isika ho reharehan’ny firenena.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer