Songadim-baovaoSosialy
FAHASIMBANA MILINA: Tsy ampy hatramin’ny 700m3 isan’ora ny famatsian-drano eto Antananarivo
Noho ny fahasimbana miseho aminy dia mihato ankehitriny ny milina iray miasa amin’ny famokarana rano fisotro madio ao Mandroseza. Noho ny fahanterana misy amin’ireo milina ireo no ambaran’ireo teknisianina fa antony mahatonga io tsy fahatomombanana io. Vokatr’izany anefa, 500m3 hatramin’ny 700m3 isan’ora ny fahabangana amin’ny famokarana rano fisotro madio eto Antananarivo ankehitriny. “Eo an-dalam-pikarakarana ny Jirama ary manao ny fomba rehetra mba hahafahana mamerina izany araka izay tratra ao anatin’ny fotoana fohy”, hoy ny fanazavana nentin’i Ramarosandratana Rija izay mpandrindra ny famokarana sy famatsiana rano ao amin’ny orinasa Jirama. Voakasik’io tsy fahampiana famatsian-drano io, araka izany, ny eny amin’ny faritra Ambony toy ny eny La Haute Ville sy Faravohitra. Ny faritra afovoan’Antananarivo toy ny Ampandrana, Ankadifotsy sy ny manodidina rehetra. Toy izany ihany koa ny eny Alasora, Nanisana, Analamahitsy, Ivandry hatrany Ilafy sy ny manodidina ireo toerana io. Ho fiatrehana ny zava-misy dia tsy maintsy miroso amin’ny fampifandimbiasana ny famatsian-drano amin’ny tambazotra lehibe ny Jirama, mba ho fampifandanjana ny fitsinjarana rano mandra-pahavitan’ny fanamboarana. Raha ny tanjona napetraka dia tokony efa vita omaly alina io fanamboarana milina tao Mandroseza io.
Zava-misy eto amintsika ny hoe tsy manana milina hasolo ny simba isika raha toa ka misy ny fahavoazany ka tsy maintsy hahato izy, miroso amin’ny fanamboarana, izay vao haverina miasa indray, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hatrany. Eo amin’ny vahaolana lavitr’ezaka, araka izany, dia efa mandeha ankehitriny ny antso tolo-bidy hanoloana ireo milina tranainy ireo. Vinavinaina ho azo ny fitaovana vaovao mialoha ny hidirana amin’ny volana septambra 2025. Misy ihany koa ny paikady fanavaozana tanteraka ny toerana misy ireo milina ireo. Izany hoe hisy fananganana fotodrafitrasa vaovao ka milina sy fitaovana vaovao avokoa no hampiasaina ao anatiny. Efa mandeha ihany koa ny antso tolo-bidy mahakasika izany ankehitriny ka kendrena amin’ny fiandohan’ny taona vaovao no hampiharana ny tetikasa.
Sarobidy Sidonie.




