
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
MPANAZATRA CORENTIN MARTINS : Fanambiny ny hiatrehan’ny Barea ny amboara erantany 2026
Hahatafita ny Barea an’i Madagasikara any amboara erantany 2026 ve ny mpanazatra vaovao Corentin Martins? Manantena ireo mpitia baolina kitra fa hanome endrika vaovao sy hanome herijika ho an’ ny mpilalao malagasy izy mandritra ny taom-piasany. Taorian’ny fifantenana natao tamin’ireo kandidà 54, dia i Corentin Martins no voatendry ho mpanazatra vaovao ny Barea an’i Madagasikara. Notanterahina omaly tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fanolorana azy tamin’ny fomba ofisialy.
I Corentin Martins moa dia, teratany Frantsay-Portiogey 55 taona, efa mpilalao iraisam-pirenena frantsay teo aloha. Ankoatra izany, efa nitantana ekipa roa lehibe izy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena: Mauritania (2014-2021) sy Libia (2022-2023). Nandritra ny fitantanany an’i Mauritania dia, nahavita nahatafita an’i i Mauritanie tany amin’ny dingana famaranan’ny CAN 2019 sy 2021 ny tenany.
Nambaran’i Corentin Martins fa hanaraka akaiky ny fifaninanana eto an-toerana izy ary hanome lanja ireo mpilalao malagasy eto an-toerana mba handrafitra ny ekipam-pirenena. Ny dingana manaraka dia ny fanendrena ireo mpilalao hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika sy ny fifaninanana iraisam-pirenena hafa.
Manana iray volana sy tapany ity mpanazatra ny Barea vaovao ity hanomanana ny fifandonana eo amin’ny Rep. Centrafricaine ny faha-17 martsa ary hihaona amin’i Ghana ny faha-24 martsa eto Madagasikara raha hankatoavin’ny CAF ny Kianja Barea an’i Madagasikara etsy Mahamasina. Ireo lalao ireo dia eo amin’ny andro fahadimy sy fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.
Ny andro faha-9 sy faha-10 kosa dia fihaonana eo amin’ i Comores sy Mali.
Raha tsiahivina ny filaharana ao amin’ny vondrona I misy ny Barea an’i Madagasikara dia, mitarika amin’ny isa 9 i Comores sy i Ghana, manana isa 7 i Madagasikara, isa 5 i Mali, isa 4 Rep Centrafricaine ary tsy mbola manana isa i Tchad.
Njaratiana.



