
PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANELEZANA VAOVAO DISO: Naiditra eny Antanimora i Fernand Cello
Nalefa eny Antanimora i Fernand Cello rehefa nandalo teny amin’ny fampanoavana, taorian’ny nisamborana azy. Araka ny fanazavana voaray dia fanohintohinana ny filaminan’ny Fanjakana sy filazana vaovao tsy marina no anenjehana azy. Marihana fa efa nokarohina hatry ny ela izy, fa tamin’ny alarobia alina izy vao voasambotra ary nentina teny aminy sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana nanaovana famotorana ary izao naiditra am-ponja izao.
Andrasana moa ny fanampim-panazavana avy amin’ireo tomponandraikitra mahefa isan-tokony mba tsy hiitaran’ny adihevitra momba ity raharaha ity any amin’ny lafiny politika indray, izay efa fanaon’ny mpanohitra eto amintsika. Fa ny tsara tsindriana dia tsy fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara mihitsy ity raharaha ity satria i Fernand Cello, dia olom-pirenena tsotra toy ny olon-drehetra. Tsy manana ny sata maha mpanao gazety azy izy, raha ny famaritana ao amin’ny Lalàna mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery 2020-006 no jerena. Izy rahateo, raha tsy nisy ny fiovana, dia mbola tsy manana karatra famantarana fa mpikamban’ny Holafitry ny mpanao gazety. Dikany, tsy ny lalàna mifehy serasera amin’ny haino jery no ampiharina amin’i Fernand Cello satria tsy hadisoana noho ny amin’ny asa fanaovan-gazety ilay raharaha. Heloka amin’ny maha olom-pirenena kosa azy, voafaritra ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana.
Tamin’ny oktobra 2023 dia efa namoahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany didy fampisamborana i Fernand Cello taorian’ny famoahana vaovao diso nataony. Efa nifona ny tenany tao amin’ny Facebook, ary niaiky ny hadisoana nataony.
Raha tsiahivina dia efa nomelohin’ny Fitsarana tamin’ny andron’ny HVM, tamin’ny 2017, i Fernand Cello. Loham-piampangana nanenjehana azy tamin’izany ny fangalarana taratasim-bola, “abus de blanc seing”, hosoka sy fampiasana hosoka.
Ny Fanoratana.

