Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ANDRO RATSY TAO AMBOVOMBE ANDROY : Mpanjono miisa 424 avotra, 11 hafa mbola karohina any an-dranomasina

Hatramin’ny omaly dia mpanjono miisa 424 no efa an-tanety , taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy tany Ambovombe Androy, ka nahafefika ireo lakana nentin’ireo mpanjono anjatony. Miisa 15 kosa ireo lakana tavela any an-dranomasina fa ny mpanjono nitondra ireo no efa tafiakatra soa aman-tsara. 11 izany ireo mpanjono mbola karohina .

Nandalovan’ny andro ratsy tao Ambovombe Androy ka lakana 154 niainga nanjono omaly maraina. Noho ny toetr’andro ratsy, dia nisy lakana 118 no mbola  tsy tafaverina, raha nandeha nanjono tamin’ny omaly maraina teo. Lakana 63 avy ao amin’ny kaominina Ambazoa. Lakana roa avy ao Maroafo, Antaritarika. Lakana enina avy ao Erada.  Lakana 46, avy ao Ambovombe sy Maroalomainty. Lakana  iray avy ao Tsimananada.  Raha vao naheno izany, ny Minisitry ny jono dia nidina nijery ifotony ny zavamisy ary nanadihady ny tena antony mahatonga izao tranga izao satria efa samy manana « Panneaux SAP » ny village des pêcheurs manodidina ny morontsiraka Androy. Tsy mikely soroka ireo mpisehatra isan-tsokajiny miaraka tamin’ny Minisitra Mahatante Paubert tany an-toerana, fa nanao ny ezaka rehetra hanavotana ny ain’ireo mpanjono namana tavela an-driaka. Hatry ny omaly hariva, mpanjono miisa 424 no efa an-tanety, miisa 15 kosa, ireo lakana tavela any an-dranomasina fa ny mpanjono nitondra ireo no efa tafakatra soa aman-tsara. 11 izany ireo mbola karohina, hatramin’ny fotoana nanoratanay. Marihina fa efa nandeha koa ny sidina hanainga avy ao Tolagnaro hamakivakiky ny ranomasina, anelanelan’ny Faradofay sy Ambovombe Androy hitady ireo lakana 11 karohina. Niseho hatrany ny fiaraha-mientan’ ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifanomezan-tanana ao ny Aquatic Service, ny BNGRC , ny QMM …

Miisa 53 ireo andiany voalohany…

Raha ny vaovao farany azo, efa tonga soa aman-tsara ao Ambovombe, ny andiany voalohany tamin’ireo mpanjono fefika tany an-dranomasina, nandritra ny fotoana nanjonoan’izy ireo . Miisa 53 izy ireo no amin’ity andiany voalohany ity, izay nalaina tamin’ny toerana nahafefika azy ireo, manodidina ny Faritra Anôsy ary naterina any amin’ny toeram-ponenany avy any amin’ny Kaominina Ambazoa sy Erada. Nisy zaza manodidina ny 11 taona teo ho eo tamin’izy ireo, ka anisan’ny nanano sarotra ny asa fampiakarana. Mbola mitohy ny fitateran’ireo kamiao, haka izay tavela any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy mitsahatra ny mamerina ny fanentanana hatrany ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga,  ny amin’ny tokony hanarahana amin’ny antsakany sy andavany ny tabilao famantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro, hisorohana ny loza sy ny tranga toy izao.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer