PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA ANY ZIMBABOE: Handinika ny momba ny olan’i Rwanda sy R.D Congo
Nanainga omaly ary nihazo ho any Zimbaboe ny Filoha Andry Rajoelina. Handinika momba ny olana misy eo amin’i Rwanda sy ny Repoblka demokratikan’i Congo, mandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Sadc. Fantatra fa ny olana misy eo amin’i Rwanda sy ny Repoblika Demokratikan’i Congo no anton’izao fiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC omaly izao. Amin’ny maha mpikambana mandrafitra ny Troika an’ny SADC an’i Madagasikara, Angola ary Zimbabwe dia hanatrika ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC any Zimbabwe ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ny troïka eo anivon’ny SADC dia manome tari-dalana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, fiarovana sy filaminana ho an’ireo firenena mpikambana eo anivon’ity vondrona ity. Manan-danja lehibe, araka izany, ny feon’i Madagasikara, amin’ireo adihevitra momba ireo toe-draharaha misy eo anivon’ny faritry ny SADC noho izy handray ny fitantanana izany Vondrona izany, ny volana aogositra ho avy izao.
Rado Harivelo



