PolitikaSongadim-baovao
ADY EO AMIN’I RWANDA SY RD CONGO: Handefa mpitsabo miaramila any RD Congo i Madagasikara
Araka ny tapaka taorian’ny fivoriana an-tampony tsy ara-potoan’ny SADC, dia handefa mpitsabo miaramila voaofana sy manana traikefa any amin'ny ilany atsinanan'i RD Congo ny Fanjakana malagasy, miaraka amin'ny fanafody hamonjena ireo maratra sy ireo voatery nifindra toerana. Amin'ny maha mpikambana feno an'i Madagasikara ao anatin'ny "troïka" eo anivon'ny SADC no hitondrana ny anjara biriky.
Nandray anjara feno tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny SADC tany Zimbabwe ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Isan’ny antom-pisian’ity fihaonana ity ny fandinihana ny momba ny raharaha mampifanolana an’i Rwanda sy RD Congo, izay efa nahafatesana olona anjatony maro, raha toa ka anarivony ireo maratra. Misy ny fifandonana ara-tafika nakana ny tanànan’i GOMA any atsinanan’i RD Congo, teo amin’ny tafika mpioko M23 ( mouvement du 23 mars) voalaza fa tohanan’i Rwanda andaniny sy ny tafika RD Congo miaraka amin’ny tafika iraisan’ny SADC ankilany.
Fanapahan-kevitra noraisin’i Madagasikara, izay mpikambana feno ao amin’ny SADC, ao anatin’izao raharaha izao, dia ny fanambarana fanohanana ara-pitsaboana ho an’ireo maratra vokatry ny fifandonana any atsinanan’i RD Congo. Ho porofo mivaingana an’izany fanohanana ara-pitsaboana nambara, dia hisy ekipa manokana ahitana dokotera miaramila manam-pahaizana halefa. Ankoatra ny lafiny ara-pandraisan’andraikitra, dia fandraisana andraikitra maha-olona sy firaisankina io, ka mamaly mivantana ny fahoriana iainan’ny sivily sy ny miaramila eny an-kianjan’ny ady.
Araka ny angom-baovao, izany dia iraka manokana an’ireo dokotera miaramila izay hikarakara ny naratra sy ny olona nafindra toerana, hanome azy ireo fitsaboana ilaina mba hampihena ny fijaliany sy hanampy amin’ny fanarenana ny fiainany. Hotanterahina miaraka amin’ireo manam-pahefana sy ireo rafitra ara-paritra misahana izany ny fandefasana ireo dokotera miaramila. Hotanterahina amim-pahamendrehana, amin’ny fahaiza-manao izany, ary hamaly ny filàn’ireo izay hisitraka izany, hoy ny fampitam-baovao.
Ankehitriny dia efa an-dalam-pamaranana ireo pitsopitsony mikasika ny fandefasana azy ireo ny tomponandraikitra. Tanjona ny hanatanterahana fandraisana andraikitra mahomby sy mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Foto-kevitra
Amin’ny fandraisana izao fanapahan-kevitra ara-tantara izao, dia manome voninahitra ny fanoloran-tenany amin’ny firaisankina amin’ny RD Congo sy amin’ny vondrona rezionaly i Madagasikara. Tsy adidy ara-politika fotsiny izany, fa tena fiombonana amin’ny SADC izay miatrika fotoan-tsarotra, hoy ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Troïka-n’ny SADC (Filoha manaraka), dia manolo-tena tanteraka sy mandray andraikitra amin’ny fanohanana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ao amin’ny faritra Afrika atsimo i Madagasikara, toy ny efa nataon’ny firenentsika hatrizay tamin’ny tolona ho an’ny fahafahana sy ny fanafahana firenena maro tao amin’ny faritra (FRELIMO, MPLA, ANC, ZANU, sns.).
Asehon’i Madagasikara indray ny fifikirany amin’ireo foto-kevitra momba ny fahaleovantena sy ny firaisankina, izay manamafy ny fotokevitra panafrikanina. Satria dia ilaina ny « vahaolana afrikanina ho an’ny fanamby afrikanina ». Efa tafiditra tanteraka amin’ity ezaka ity ny firenena rehetra mpikambana, ary efa nandefa miaramila ny firenena maro toa an’i Afrika Atsimo, Malawi ary Tanzania. I Madagasikara kosa dia nifidy ny handefa dokotera miaramila ho fanohanana ireo niharam-boina.




