PolitikaSongadim-baovao

DISTRIKAN’I FARATSIHO : Kaominina 6 amin’ny 9 no azon’ny IRMAR, nosalorana samboady ireo Ben’ny tanàna

Kaominina miisa enina amin’ireo 9 mandrafitra ny Distrikan’i Faratsiho no azon’ny Vovonana IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Tafiditra ao anatin’izany ny kaominina Faratsiho tampon-tanàna, Ambohiborona Ambatofotsy, Andranomiady, Miandrarivo, Ramainandro, ary Valabetokana.

Omaly no notontosaina ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny samboadin’ireto olom-boafidy ireto. “Nisaotra ny vahoaka manokana izahay sy ireo ben’ny tanana miara-dia androany, nametraka fitokisana tamin’ireo kandida izay natolotray, ary manamafy fa ho ataontsika laharam-pahamehana ny kaominina nahalany azy ireo amin’izay fifanomezan-tanana hampivoarana ny tanindrazanay any Faratsiho”, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha Nasiolan’ny Antoko Freedom, sady mpikambana ao amin’ny vovonana IRMAR. Ity farany izay nialatsiny tamin’ireo Kaominina telo tsy nahalany an’ireo kandidà IRMAR, fa ho atao laharam-pahamehana aloha any amin’ireo misy olona azo iarahamiasa.

Ady hiragasy nangotraka nifanandrinan’ny tarik’i Rafredy kely Imerintsiatosika sy ny zaza navelan-dRafarilahy Raymond Ambatoantrano no natolotra ny vahoaka niaraha-nifaly, mariky ny fandresena niezinezina azo, hoy hatrany fanazavana.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer