Songadim-baovaoToekarena

HAHATRARANA NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO: Tantsaha 1400 nizarana masomboly vary safiotra sy zezika tao Tanambe

Notanterahina tao amin’ny Kianja maitso tao amin’ny kaominina Tanambe, distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny fanokafana ny  fizarana hanam-pamokarana sy masomboly vary safiotra, ao anatin’ny « Tetikasan’ny Filoham-pirenena » ho an’ny fanovana ny fomba fambolena na « transformation agricole ». Nisy, araka izany, ny fidinana ifotony notanterahan’ny Filoha Andry Rajoelina tany Tanambe, nanomboka ny fizarana izany. Nilaza ny Filoha « fa ny tantsaha dia anisan’ny fanoitra enti-mandresy ny fahantrana ».  Noho izany, ny hampiakatra ny vokatra no tanjona amin’ity tetikasa vary safiotra ity. Raha 3 na 4 ha ny vokatra ho an’ny 1 ha hatrizay, dia hiakatra 10 T kosa izy aoriana. Efa nisy rahateo ny andrana efa natao ka nahazoana vokatra. 50.000 ha ny tany ampiasaina ary 1 tapitrisa taonina any no andrandraina. Hanafatra fitaovana arifenitra ny Filoha Andry Rajoelina,  toy ny fitotoam-bary ho an’ny Kaoperativa, ny trakitera, « moissonneuse », « Kubota », ho fanatanterahana izany. Raha atambatra,  mitentina 1 .049. 500 Ariary/ 25 Ara ny tosika hoentin’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo tantsaha mpamboly. Izay mpamboly tsy mahazo amin’ity fanombohana ity dia mbola misitraka amin’ny fotoam-pambolena manaraka. Mbola misy 398 Taonina ho avy amin’ity taona ity ihany. Mahatratra 4.155.000 Ar ny fandaniana amin’ny Fambolena anatin’ny 1 hekitara. Ny  vokatra azo kosa, dia  8 Taonina isaky ny hekitara. Tombanana ho  12.000.000 Ariary ny vidiny, izany hoe, ny  7.845.000 Ariary izany no tombony amin’ny fotoam-pambolena iray.

 

1400 ireo tantsaha nisitraka…

 

Nosafidiana manokana ny Faritra Alaotra Mangoro anombohana izany noho izy sompitr’i Madagasikara. Faritra 12 no hanaovana ity tetikasa Vary Safiotra ity ankehitriny ka nanombohana azy ny Faritra “Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, izay mbola azo atao tsara ny mamboly amin’ireo toerana ireo izao. 1.400 ireo tantsaha mpamokatra misitraka izany tao anatin’ny distrikan’Amparafaravola. Ireto avy no nozaraina tamin’izany, masomboly « hybride » 25kg/ha, izay efa nifanarahana tany Sina. Zezika MPK 350 kg ho an’ireo manana 1 ha. Tsara ny manamarika fa efa ela no namboly vary Safiotra ny teto amintsika. « Tsy misy distrika hadino intsony », hoy kosa ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitantena ara-tsakafo. Noho ny haitariky ny filoha no nahazoana ireo masomboly.

Ny taona 2019 dia nanao tosika tahak’izao ny Fitondram-panjakana ka teo amin’ny 350 T teo no masomboly naparitaka tamina tantsaha maro.  Efa maro ny tantsaha no efa nahazo fiofanana sy efa namboly izany vary safiotra izany ary nahatsapa ny vokatsoa azo tamin’ny famokarana izany. Faly ny vahoaka ary mitady ireo masomboly sy zezika noho izy io mamokatra anaty fotoana fohy dia fohy.

Raha 160 andro ohatra, ny mamokatra ny vary makalioka, dia 90 hatramin’ny 110 andro fotsiny ny famokarana ny vary safiotra. Tsara fahatongavana ny fizarana ity masomboly « hybride » ity, araka izany, satria ahafahan’ireo tantsaka manavotra ny taom-pamokaram-bary amin’ity 2025 ity. Marihina fa taraiky ny ketsa tamin’ity taona ity noho ny fahataran’ny rotsak’orana. Izay no mahatonga ny mpamboly liana sy mazoto amin’ity vary safiotra ity.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer