Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
BEJOFO MAHITSY : Miaramila iray maty novonoin’ny Zaodahiny
Lehilahy iray no naratra mafy vokatry ny herisetra nataon’ny zaodahiny, tao amin’ny fonenany, afakomaly tokony ho tamin’ny 03 ora maraina, tao amin’ny Fokontany Bejofo, Kaominina Mahitsy, Distrikan’i Ambohidratrimo. Voamarin’ny Zandary nanao fanadihadiana fa ilay kaporaly 30 taona ao amin’ny « Groupement des Forces Spéciales d’Intervention » na GFSI, Tafika Malagasy, io naratra naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy. Nahitana ratra lehibe tamin’ny lohany. Notaterina haingana tany amin’ny CHRD Bejofo. Noho ny fahavoazany mafy dia nafindra tamin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandrina. Teny an-dalana anefa, dia tsy tana ny ainy, ka niverina ary napetraka tao amin’ny Morgue CHRD Bejofo III. Araka ny fanadihadiana,
tao amin’ny efitra fatorian’ilay Caporal no nahitana rà be. Porofo fa teo no nitranga ny fanafihana. Tao amin’ny efitran’ny vadiny, dia hita tao ambanin’ny latabatra kely iray ny famaky izay mbola misy ra. Tao an-trano anefa, nisy olona enina mianaka, dia ilay namoy ny ainy, ny vadiny, zanany roa, ny zaodahiny, ary ny zana-drahalahiny.
Olona tao an-trano no namono…
Nambaran’ny zana-drahalahy fa rehefa taitra tamin’ny torimaso izy dia efa nahita ny zaodahiny teo amin’ny Dadatoany, ilay miaramila namoy ny ainy, Io zaodahiny io no voarohirohy tamin’ny fanafihana ka nahatonga ilay miaramila kaporaly naratra mafy. Tsy nisy famantarana fisokafan’ny varavarana ivelany tamin’io alina io. Manamafy fa olona tao an-trano ihany no nanao ilay asa ratsy. Nitsoaka sy tsy hita popoka, taorian’ny loza ilay zaodahy, izay heverina ho mpanao ny heloka. I Julien, 21 taona, no voarohirohy, izay monina ao amin’ny tokantranon’ilay maty ao Bejofo. Lasa nandositra taorian’ny fanamarihana nataon’ny olona tao an-trano. Nisokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay voarohirohy. Natao andrimaso ao amin’ny Tobim-paritr’i Mahitsy Mandidy, ny vadin’ilay maty. Nampandrenesina ny fokonolona mba hampilaza avy hatrany raha misy mahita ny voarohirohy. Ny tobim-paritry ny Zandarimaria Mahitsy no misahana manokana ny raharaha.
Pierre M.



