Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA FAIDA: Nitondra rotsak’orana betsaka, tokantrano 97 traboina
Nisy sahady ny traboina vokatr’ilay rivodoza FAIDA nandritra ny fihaodihaodiny tany an-dranomasina hatramin’ny omaly tontolo. Miisa 365 izany, izay ahitana fianakaviana 97, raha ny tatitry ny BNGRC voaray omaly, tamin’ny 04 ora sy sasany hariva. Ny 348 tamin’ireo dia ao Toamasina, 17 ao Fenoarivo Atsinanana, izay nafindra toerana azo antoka tamina toerana efa voaomana mialoha avokoa. Nisy koa trano dibo-drano miisa 93, vokatr’ity rivodoza FAIDA ity. Raha ny vaovao farany mikasika ilay rivodoza FAIDA aloha, izay voaray teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, hatramin’ny omaly hariva, dia tao amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara no nisy ny foibeny. Nihena hatrany ny heriny ary saika any an-dranomasina avokoa no ahitana ny rivotra miaraka aminy hatramin’ny 40km/ora. Andrasana ao anatin’ny 24 ora nanomboka omaly hariva io, na hatramin’ny 36 ora manaraka araka izany, ny hahalevonany.
Hiteraka rotsak’orana be ny tsiokan’ny Talio
Ankoatra izay, dia hihamafy ny tsiokan’ny Talio any amin’iny faritra Avaratra andrefan’I Madagasikara iny, ary hanome rotsak’orana betsaka mety hihoatra ny 100mm ao anatin’ny 24 ora izany. Misy, araka izany, fampitandremana ny amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsak’orana mikasika izany. Nahazo fampitandremana miloko mena na loza mitatao ny Faritra Boeny sy Betsiboka, ary ny tapany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro. Torak’izany koa ny Distrikan’i Ambilobe, Ambanja, Nosy be, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny, ary Mampikony. Naharay filazana loza manambana miloko mavo kosa, ny Distrikan’i Besalampy, Maintirano, Ambatomainty, ary Morafenobe. Manomboka omaly talata, ka hatramin’ny zoma izao no haharaisan’ny ankamaroan’ireo faritra voatanisa ny rotsak’orana betsaka io, raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny Météo malagasy.
Nangonin’i Stan R.




