Songadim-baovaoToekarena
FANARAHANA NY VIDINY IRAISAMPIRENENA : Mila mizatra ny fiovaovan’ny vidin-tsolika ny Mpanjifa
Nihatra nanomboka afak’omaly alina ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara hifanaraka amin’ny sandany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha 5.700 Ar/l ny lasantsy teo aloha, dia nihena ho 5.500 Ar/l izany ankehitriny. Ny Gazoala raha 4.760 Ar/l teo aloha dia lasa 4.890Ar/l. Ny solika fandrehitra (pétrole) kosa dia lasa 2.630Ar/l raha 2.430Ar/l teo aloha. Marihina fa fampiharana ny rafitra » Ajustement automatique des prix à la pompe » izao fiovaovan’ny vidin-tsolika izao. Tohin’ny efa natomboka ny 18 Janoary lasa teo, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Jean Baptiste Olivier.
Nanambara ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo fa mila mizatra izany fiovaovana izany isika eto Madagasikara, manaraka ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nohamafisin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, fa tsy hoe tsy maintsy miakatra, na tsy maintsy midina ny vidin-tsolika fa manaraka ny vidiny iraisam-pirenena isam-bolana amin’izay. Amin’ny fiandohan’ny volana, ka hatramin’ny fahadimin’ny volana no misy ny fiovana, raha misy, miainga amin’ny zava-misy eo amin’ny tsena iraisampirenena. Ho antsika eto Madagasikara, ho fitsinjovana ny vahoaka dia mbola tsy « vérité de prix » avy hatrany aloha io ampiharina io fa mbola ferantsika (plafonné) eo amin’ny 200Ar ilay fihetsiketsehana. Izany hoe raha sanatria miakatra loatra ilay vidiny iraisam-pirenena dia tazomintsika eo amin’ny 200Ar ihany ilay fiakarany. Raha midina be koa dia tazomintsika 200Ar koa ny fidinany (ajustement fa tsy vérité). Izay no marimaritra hita aloha, hoy hatrany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
Tsara ho fantatra fa izao fepetra izao, dia tafiditra ihany koa amin’ny fanatontosana ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ao anatin’ireo fandaharanasa fampandrosoana » Facilité Elargie de Crédit » (FEC) sy ny » Facilité pour la Résilience et la Durabilité » (FRD).
Nivoitra ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, natao omaly 5 Febroary 2025, tetsy amin’ny Biraon’ny OMH Behoririka. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa Jean-Baptiste Olivier. Nanotrona ny Talen’ny Akoranafo , Atoa Razafimamonjy Jinot sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny OMH.


