PolitikaSongadim-baovao

DISADISA MOMBA NY VOKA-PIFIDIANANA: Olona iray namoy ny ainy, efatra naratra mafy tao Anivorano Nord

Raikitra ny sakoroka momba ny resaka disadisana valim-pifidianana any Anivorano Nord, Antsiranana II, afakomaly. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana, noho ny voalaza fa fisiana hosoka tamin’ilay fifidianana tany an-toerana, ka tsy naneken’izy ireo ny olona lany no anton’izao savorovoro izao. Niezaka nitondra ny raharaha teny anivon’ny « Tribunal admnistratif » ireo lasibatry ny hala-bato, saingy, taorian’ny fanapahana teny anivon’ny Fitsarana, dia resy. Nambaran’izy ireo fa misy kolikoly, izay miseho amin’ny endriny maro ary hita taratra avy hatrany izany satria nahitana trangana fitongilanana Mpitsara amin’ireo olona manan-draharaha sasantsasany, amin’ny fanomezana vahana ny mpiady sasany. Teo koa ny fametrahana fanontaniana mitanila, anodinkodinana na tsy fandraisana ankolaka ny porofo entin’ny mpiady, ka miteraka tsy fanajana ny zon’ny fiarovana sy ny zo hitovy eo anatrehan’ny Fitsarana Antony nahatonga ireto olona ireto nijoro hiaro hatramin’ny farany ny fahamarinana, iadiana amin’ny kolikoly. Tsy nanaiky ny fanatanterahana ny famindram-pahefana ireo miady ny fahamarinana, satria mbola nisy ny fampakarana « cassation » ny raharaha. Vokany, nisy ny fifandonana teo amin’ireo nilaza ho mpandresy sy ireo milaza fa miady amin’ny fahamarinana, ka niafara tamin’ny fahafatesana olona iray sy olona efatra naratra, avy amin’ireo miady amin’ny fahamarinana.

 

Ady amin’ny kolikoly…

 

Manoloana ny tranga any an-toerana ity, dia heverina fa tokony hirosoana ny ady amin’ny trangana kolikoly, amin’ny resa-pifidianana tahaka itony, izay antony nahatonga ny savorovoro. Efa nisy rahateo ny fanolorana tamin’ny fomba ôfisialy ny Paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly eto Madagasikara na ny « SNLCC 2025-2030 » ka ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta mihitsy  no nitarika ny fotoana  tetsy Alarobia, andro vitsivitsy lasa izay. Tanjona apetraka ny fanafoanana ny  tsimatimanota, ny fampirisihina ny fomba fiasa mampandray andraikitra ny rehetra amin’ny fandrindrana ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientana momba ny  ady amin’ny kolikoly, ary hampiroboroboana koa ny kolontsaina mifototra amin’ny fahitsiana ifampizaran’ny rehetra. Tanjona stratejika ifantohan’ity paikady vaovao natolotra ity ireo. Heverina, araka izany, fa izay lalan-tsaina mifototra amin’ny ady amin’ny kolikoly izay, no manetsika  ireo mpitondra fanjakana isan-tokony, ka tena hisy fiantraikany amin’ny vahoaka tokoa. Ho tanteraka tokoa ve ny hanova an’i Madagasikara ho Nosy hanjakan’ny fahitsiana sa hijanona ho nofinofy izany ?

Ny Fanoratana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer