PolitikaSongadim-baovao
DIPLOMASIA : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara i Suisse sy i Suède
Mametraka ny toeran’ny diplomasia malagasy ! Vonona ny hanamafy ny fiaraha-miasa sy hanohana ireo laharam-pahamehan’i Madagasikara ny firenena Suisse. Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Masoivoho vaovaon’i Suisse, Andriamatoa Stefano Toscano, omaly. Manga ny dinika teo amin’ny roa tonta. Noresahina nandritra izao fihaonana izao ireo lalam-piaraha-miasa hitondra ainga vao eo amin’ny fifandraisana, eo amin’ny firenena roa tonta toy ny fiarovana, ny fiahiana ny tontolo iainana sy ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro.
Ankoatra izay, nandray ny taratasy manendry azy koa ny Masoivoho vaovaon’i Suède eto Madagasikara, Ramatoa Mette Sunnergren, izay noraisin’ny Filohan’ny Repoblika omaly. Misokatra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro ny firenena roa tonta, toy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny famokarana angovo sy ny fanovana ny fomba fambolena. Nanambara rahateo ity Masoivoho vaovao ity fa vonona ny hanolotra ireo laharam-pahamehan’i Madagasikara amin’ireo vondrona sy sehatra tsy miankina soedoà, izay maniry hiara-hiasa amin’ny Firenena malagasy.
Nangonin’i Pierre M.



