Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FITRANDRAHANA AN-TSOKOSOKO HARENA VOAJANAHARY: Sinoa 2 lahy nidoboka eny Tsiafahy

Mitohy hatrany ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary sy ny fampiharana ny lalàna amin’ireo izay mbola minia manao izany. Vokatry ny fiaraha-miasa tamina olona tsara sitrapo izay nanome angom-baovao dia tra-tehaka tamin’ny alahady lasa teo, teny Talatamaty, ny teratany sinoa miisa 2  izay nanangona sokatra kasaina haondrana an-tsokosoko any ivelany. Tamin’ny alalan’ny velapandrika natao no nahatrarana ireto sokatra ireto tao an-tranon’ireo teratany sinoa ireo. Tratra tao an-tranon’izy ireo tamin’izany ny sokatra karazany Angonoka (Astrochelys yniphora) miisa 5 sy Sokake (Astrochelys radiata) miisa 12.

Ankoatra ireo sokatra dia nahatrarana Jabihy na “baobabs nains” ihany koa tao amin’izy ireo. Ny Jabihy izay mbola zavamaniry arovana ihany koa.

 

Tsara ny manamarika fa voasokajy ao anatin’ny Tovana I an’ny CITES Ary voararan’ny lalàna eto Madagasikara avokoa ny fitrandrahana ireo biby arovana ireo, indrindra fa biby efa atahorana ho lany tamingana izy ireo. Ny Angonoka izay tena efa vitsy eto amintsika. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa mpanao ity asa ratsy ity ireo sinoa roa lahy. Efa mpamerin-keloka ihany koa ny iray amin’izy ireo satria efa nifonja teto Madagasikara tamin’ny resaka fanondranana an-tsokosoko sokatra. Vokany, niakatra fampanoavana tamin’ny talata lasa teo izy ireo. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy. “Ankasitrahana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny MEDD sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny famongorana ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Toa izany ihany koa ny fanomezam-baovao avy amintsika rehetra. Entanina hatrany isika hiantso ny laharana maitso 955 raha mahita tranga fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary hahafahana madray fepetra haingana”, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

 

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer