PolitikaSongadim-baovao
LOHOLONA RAKOTONDRAZAFY LALATIANA : Hijoro hatrany hanamafy ny fiarovana ny Fitondram-panjakana
Nohamafisin’ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana Henriette taorian’ny fisalorana samboady azy, ny fijoroany hiaro izao fitondram-panjakana izao. Nambarany fa nanavao ny fifampitokisana misy eo aminy sy ny Filoham-pirenena ny fanendrena azy ho Loholona, ary izay no mahatonga azy hijoro eo anatrehan’ny faharesen-dahatra ara-kevitra…
Ny tena manohana izao Fitondrana izao dia voaenjika hatrany anatin’ny zava-misy, fa indrindra amin’izao fotoana, hoy ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, omaly teny amin’ny Antenimierandoholona. Nosinganiny manokana tamin’izany ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, sy ny tenany. Nohamafisiny anefa, fa “vao maika hijoro aho amin’izay fiarovana ny Fitondram-panjakana izay. Faharesen-dahatra ara-kevitra no hijoroanay ary tokony hijoroan’ireo milaza ho mpanohitra”. Tsy voatery ho lafatra ny zava-dretra, saingy notsipihiny manokana, fa raha misy ny miezaka andro aman’alina dia ny Filoham-pirenena, ka tsy ho avela ho potika izany ezaka ataony izany. Nomarihany, fa mila mpanohana ny fitondrana mijoro, ary nanavao fahatokisana taminy ny Filohan’ny Repoblika, ka mazava ho azy fa misy anjara andraikitra sy faharesen-dahatra tsy maintsy hijoroana. “Ny traikefa rehetra azo tao anatin’ny fanaovana politika dia entina hanasoavana ny Andrimpanjakana nametrahana ny tena, ho tombontsoa ambonin’ny firenena”. Araka izany, mariky ny fahatokisan’ny Filohan’ny Repoblika ny fanendrena ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, ary zava-dehibe eo anoloan’ny zava-misy amin’izao fotoana izany fifampitokisana izany. Izany dia mandiso ny fiheveran’ny sasany fa “fanilikilihan’ny fitondrana an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy”, saingy nambarany, fa misy fandaminana avokoa ny zava-drehetra.
“Tsy mbola afaka hifandrefy tanjaka ara-politika ny mpanohitra”
Manoloana ny filazan’ny Filoha nasionalin’ny “Pro Siteny”, izay nilaza fa “mbola tendrena Loholona kanefa, efa tsy tian’ny vahoakan’i Faratsiho”, dia nambaran’ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, fa tsy voatery entina amin’ny sandry “iray sy iray” hatrany ny zava-misy, fa afaka entina indrindra amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny saina tony. Ny voka-pifidianana farany teo ohatra, dia afaka hijerena ny fetran’ny tanjaky ny mpanohitra milaza azy ho iza. Raha ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo, ho an’ny tao Faratsiho fotsiny dia tsy nahazoan’ny vovonana Firaisankina afa-tsy Ben’ny tanàna iray tamin’ireo Kaominina miisa 09. Ny 06 azon’ny IRMAR izay nanaovany fampielezan-kevitra tany an-toerana, izay nambarany, fa “raha tsy tian’ny vahoakan’i Faratsiho aho dia mazava ho azy fa tsy nifidy ireo kandidà natolotro sy ny Filoha Rajoelina miaraka amin’ny vovonana IRMAR ny vahoaka tao”. Etsy andanin’izany, ny tarehimariky ny voka-pifidianana Ben’ny tanàna manerana ny Nosy farany teo, izay tsy nahazoan’ny “vovonana Firaisankina” afa-tsy 13 Ben’ny tanàna, kanefa, voizina fa ivondronan’ny fanoherana izao fitondrana izao eto Madagasikara. Ben’ny tanàna 967 isa no azon’ny IRMAR, ary ny antoko “Freedom” izay nandeha irery aza, nahazo Ben’ny tanàna 16, izay mihoatra ny Firaisankina. Midika izany, hoy ity Loholona, fa “tsy afaka hifandrefy tanjaka politika anatin’ny zava-misy amin’izao fotoana mihitsy ny fanoherana”.
Stan R.




