PolitikaSongadim-baovao
07 FEBROARY 2009 : 16 taona katroka omaly, notsarovana manokana ireo maherifo lavo
Toy ny fanao isan-taona isaky ny andron’ny 07 Febroary izay hahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena, dia ireo izay nanolotra ny ainy, niharam-boina nandritra ny tolom-panafahana niraisan’ny vahoaka ny taona 2009, fotoana nandrodanana ny jadona teo amin’ny fitantanana ny firenena, dia anjaran’ny ankehitriny no manome lanja sy hasina ireo rà latsaka, hoy ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. Niantso fankaherezana ho an’ireo fianakaviana nanan-kavana maritiry tamin’izany fotoana ny fitondrana ankehitriny, ary manome haja ihany koa ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, izay mpitari-tolona tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia miroso amin’ny dingan’ny tantara vaovao, pejy vaovao amin’ny lalam-pampandrosoana an’i Madagasikara isika. Isaorana Andriamanitra, fa hatreto dia mbola misy ny firaisam-po sy firaisan-tsainan’ny vahoaka Malagasy tsy nandeha tamin’ny lalan’ny fisaraham-bazana, fa nirona kosa ho amin’ny firaisan-kina sy ho an’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara, hoy ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena. « Mino izahay fa lalan’ny fihavanana sy fifankatiavana ny 07 febroary rehetra mbola hodiavina, ary hipetraka ho tantara ny tolona izay nitoloman’ireo maherifontsika hatramin’izay”, raha ny fanampim-panazavany. Omaly no nanamarihana ny faha-16 taonan’ny tolom-pahafahan’ny 07 febroary 2009, izay fanao isan-taona eny Ambohitsorohitra, manoloana ny Lapam-panjakana. Ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, no nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, tamin’ny fametrahana feheam-boninkazo anomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana ireo mahery fo lavo tamin’izany fotoana izany. Hita teny an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry miara-dia amin’ny Fitondram-panjakana, fa indrindra ireo mpitolona tamin’izany fotoana.
Stan R.



