Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TAKSIBE ZOTRA 194 NISONGONA SARETY: Nivadika ambony ambany, mpandeha 29 naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona maro nateraky ny fiara iray mpitatitr’olona teny amin’ny digin’Anosipatrana, omaly alahady 09 febroary, tokony ho tamin’ny 07 ora sy fahefany hariva. Taksibe amin’ny zotra 194 ity namoa-doza ity. Mbola teny am-pitondrana mpandeha izy io no izao tra-doza niala lalana izao, raha voalaza fa nandeha mafy sy nikasa hisingona sarety teo alohany, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny sasany tamin’ireo mpandeha. Nivadika ambony ambany teo amin’ny ankavanan-dalany vokatr’izany ity fiara mpitatitr’olona tafàla lalana ity. Mpandeha miisa 29 no naratra tao anatin’izany, ka ny 07 tamin’ireo dia zaza sy ankizy avokoa, raha ny tatitra nataon’ny Mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Ny teo anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny Aro lozam-pifamoivoizana (BAC) no nanao ny fanadihadiana teny an-toerana sy nampandefa ireo naratra hahazo fitsaboana haingana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Nisahana ny fandaminana fifamoivoizana sy ny fiambenana teny an-toerana ny Polisin’ny Poste Avancé Ilanivato.




