PolitikaSongadim-baovao
FIAINAM-PIRENENA : Ilaina ny fijoroan’ny olom-boafidy sy olom-boatendry miaro ny Vinan’ny Filoha
Namaly ny fanasan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambatolampy Andriamatoa Tiana Razafimahefa sy ny Ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitr’Ambatolampy tamin’ny lanonana ho fisaorana ny vahoaka nifidy azy ireo, ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy, izay nisolo tena ny Filohan’ny Antenimierandoholona, andriamatoa Jeneraly Ravalomanana Richard.
Koa satria ity no fisehoana voalohany nataon-dRamatoa Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy taorian’ny nanendrena azy dia nanamafy izy tamin’ny fandraisam-pitenenany ny fijoroany amin’ny fanohanana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Fitondrana ankehitriny amin’ny ezaka rehetra izay atao amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mila tohana ny Fahefana Mpanatanteraka ka ilaina hoy izy ny fijoroan’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry rehetra miaro ny vinan’ny Filoham-pirenena mba tena hipaka haingana any amin’ny vahoaka ny vokatry ny asa. Rehefa tsy ampy mantsy hoy izy ny feon’ireo mpanohana ny Fitondrana manazava ny tena zava-misy marina amin’ny vahoaka dia lasa mahazo vahana ny lainga sy ny fandemen-tsaina ary ny fampihorohoroana ara-moraly ataon’ny mpanohitra hitadiavana korontana.
Mila miray hina sy mifanome tanana hatrany koa ny rehetra mba tsy handairan’ny fampiadiana sy ny fihantsiana hampisara-bazana hoy ihany Ramatoa Loholon’i Madagasikara nandritra ny lahateniny. Marihana fa nanatrika ny lanonana ireo Ben’ny Tanàna miisa 19 sy ireo Mpanolotsainan’ny Tanàna maro amin’ireo kaominina rehetra mandrafitra ny Distrikan’Ambatolampy.
Manana firaketam-po manokana amin’ny faritra Vakinankaratra Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy amin’ny maha zanak’i Faratsiho azy ka vonona ny tenany hifanome tanana amin’ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana any an-toerana hampisy fampandrosoana eny ifotony.
Ny Fanoratana.




