Songadim-baovaoSosialy

ARENA RAJOELINA : Isan’ireo mpianatra 242 nahavita fianarana tao amin’ny Oniversite EHL

“Toy ny vao omaly no nitantanako sy nampianarako an’i Arena namindra. Androany, dia vita soa aman-tsara ny fianarany tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne, taorian’ny efatra taona. Nitombo, nianatra, ary indrindra indrindra, nahomby. Fifaliana sy rehareha ho an’ny ray ny mahita ny fahombiazan’ny zanany. Ny finoana, narahina ezaka sy fikirizana, no nahatonga ny fahombiazana. Félicitations Arena », io no teny fohy nosoratan’ny Filoha Andry Rajoelina taorian’ny nivoahan’ny zanany lahimatoa Arena Rajoelina Razakandisa fianarana, ny faran’ny herinandro teo tany Suisse. 242 ny isan’ny mpianatra nivoaka tamin’io andiany io ary i Arena Rajoelina irery no malagasy, araka ny fampitam-baovao.

Marihina fa ny oniversite EHL dia fanta-daza manerantany amin’ny fanomezana fampiofanana momba ny tontolon’ny fitantanana trano fandraisam-bahiny sy ny lafiny fampiantranoana. Mampiavaka azy ny fomba fampianarana izay tsy itovizany amin’ny hafa, dia ny fampiarahana ny lafiny teorika sy ny pratika. Eo koa ny toeram-pianarana izay raitra, ny fananany tambajotra manerantany izay manamora ny fitadiavana asa. Araka ny fanadihadiana manana tambajotrana mpianatra teo aloha manana ny toerany amina firenena maherin’ny 150 ny oniversite EHL. Izany dia manampy betsaka ireo mpianatra nivoaka tao amin’ity oniversite ity hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatra izay, mampiofana betsaka ny tontolon’ny Haitarika koa ny Oniversite EHL.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer