Songadim-baovaoToekarena
FAMPANDEHANANA NY TETIKASA BASE TOLIARA: Mpiasa manodidina ny 2000 no vinavinaina horaisina sy hampiofanina
Tombony maro no ho azon’ny mponin’i Toliara amin’ity tetikasa Base Toliara ity. Ankoatra ny tombontsoa mivantana toy ny tamberim-bidy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, sy ny fanorenana ireo karazana fotodrafitrasa ilain’ny mponina ao an-toerana, dia laharam-pahamehan’ny tetikasa ary andrandrain’ny mponina fatratra amin’izao fotoana hatramin’ny nanokafana indray ity tetikasa ity ny asa sy ny fiofanana…
Nandritra ny fampahafantarana mikasika ny fandraisana mpiasa sy ny fanofanana mpiasa notanterahin’ireo Tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa, nahitana ny Talen’ny Fifandraisana ivelany, Mahafaritsy Samuel, sy ny Talen’ny Fiahiana ny maha olona, Amanda Tagliaferri, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao Toliara, no nampahafantarina fa mandeha ny orinasa amin’izao fotoana fiomanana izao. Anatin’ny fanombohana fandraisana mpiasa ny tetikasa, ary mivoaka tsikelikely araka ny filàn’ny Orinasa izany amin’izao fotoam-piomanana amin’ny fanorenana ny tetikasa izao, hoy ny tompon’andraikitra. Mpiasa manodidina ny 2000 eo no vinavinaina horaisina hanatanteraka asa mivantana (emplois directs) amin’io fotoam-panorenana ny tetikasa hanomboka afaka 14 volana io, raha ho hita any amin’ireo mpandraharaha mpiara-miasa amin’ny tetikasa, ny asa tsy mivantana (emplois indirects). Afaka iray volana eo no fantatra, fa hisokafan’ny fisoratana anarana ho amin’ity fiofanana handraisana mpiasa ity. Fantatra ihany koa, fa hisy fandraisana mpiasa ho an’ireo tsy manana diplaoma, izay vinavinaina eo amin’ny 700 eo. Mponina eny ifotony avokoa ireo horaisina hiasa araka ny filàn’ny tetikasa amin’ny fotoam-panorenana io, ary laharam-pahamehana amin’izany ireo mponina ao amin’ny Kaominina 05 voalaza sy voakasiky ny tetikasa, na amin’ny fampidirana mpiasa na amin’ny fampiofanana, dia ny Kaominina Ankilimalinike, Tsianisiha, Belalanda, Maromiandra, ary Toliara I. Mivelatra amina sehatra maro samihafa ny fiofanana, izay hositrahan’ireo izay hisoratra anarana, toy ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, fanorenana, fanaovana “beton”, fanaovana tafo, lafiny fikojakojana, fahaiza-mikirakira momba ny herinaratra, fiara, sy mikasika ny harena an-kibon’ny tany, sy ny sisa.
Ho hentitra kosa ny fepetra arahina amin’ny fifantenana olona hisitraka ny asa sy ny fanofanana io, raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitra, satria tsy handoavam-bola izany, mangarahara tanteraka tsy misy kolikoly, hisy ihany koa komity manokana natao hanara-maso izany, ary azo atao ny mitoroka izay manao ny tsy ara-dalàna amin’ity fandraisana mpiasa ity. Ankoatra ireo mpiasa manodidina ny 2000 vinavinaina horaisina, dia hampiasaina amin’ny fifantenana ny fampidirana mpiasa sy fanofanana hiasa ihany koa ny angon-toro (base de données) mirakitra ireo olona 8000 efa nanoratra anarana. Ho an’ireo asa mila fahaiza-manao moa dia hisy ny fitsapana hanamarinana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Mbola hosokafana ho an’ny rehetra liana io fisoratana anarana io ato ho ato, na ho an’ny mpangataka asa na fiofanana. Ny tanora no tena amporisihan’ny tetikasa Base Toliara hisoratra anarana amin’ity fiofanana hatao tsy ho ela ity. Teo anatrehan’ny Mpanao gazety no namelabelarana mikasika ity fandraisana mpiasa sy fanofanana eo anivon’ny tetikasa Base Toliara ity.
Nangonin’i Stan R.




