Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ASAN-JIOLAHY : Lehilahy avy nivarotra volamena voaroba 10 tapitrisa Ar
Lehilahy iray nitondra moto avy nivarotra volamena no norobaina jiolajy miisa telo lahy mirongo antsy maranitra sy vato teo amin’ny toerana antsoina hoe Namahoaka, fokontany Ankorabe, kaominina Ambanivohitra Ranomafana/Est, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Raha ny fanazavan’ilay olona voatafika dia tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro teo no niseho io fanafihana io ary efa nandrasan’ireo jiolahy tamin’io toerana io izy satria eo no lalana tsy maintsy andalovany rehefa hamonjy fodiana izy. Nilaza moa izy fa tsy nisy fantany ireo olona nandrava azy ireo ary lasa nandositra raha vao azony ny vola sy ny entana teny aminy. Naratra moa ilay lehilahy lasibatra monina ao Ambodiakondro, kaominina Ambonivohitra sy distrikan’i Moramanga noho ny daroka nahazo azy. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary, niampy mizana fandanjana volamena, sy taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara, ary kara-panondrom-pirenena no lasan’ireo jiolahy.
Nijery ifotony ny zava-nitranga ny zandary miisa dimy avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Ampasimbe sy BRS Sahamamy nanatanteraka fanarahan-dia ny olon-dratsy. Mitohy ny fikaroham-baovao sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Ny tobim-paritry ny zandarimaria Ranomafana Atsinanana kosa no iandraikitra ny fanadihadiana.
Manomboka miverina indray ny fanafihana mitam-piadiana raha somary nangingina tao ho aho. Andrasana fatratra ny fandraisana andraikitra hentitra momba ny asa fanafihana tahaka izao.
Jiolahy ampolony nanafika…
Mbola afakomaly alina ihany koa, dia nitrangana fanafihan-jiolahy tao Ambohimiharina Ambatoina, Kaominina Sahavato, distrikan’ i Nosy Varika, tokony ho misasakalina. Jiolahy ampolony nirongo antsy sy vato no nanao ny fanafihana.Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana tompon-trano, mbola tsy fantatra ny zavatra norobain’ireo dahalo. Nizotra nianavaratra nihazo ny Kaominina Soavina ireo dahalo rehefa nahavita ny asa ratsiny. Manao ny fanarahan-dia ny fokonolona tao an-toerana, ary efa nampandrenesina ny Zandary ao Soavina, sy ireo fokontany manodidina manao ny fisakanana ireo olon-dratsy. Noho ny fiakarany renirano dia mbola tsy tonga eny an-toerana ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Sahavato.
Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Pierre M.



