PolitikaSongadim-baovaoToekarena

LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO – TOAMASINA : Hamatsy vola ny fanamboarana ny ampahany faharoa ny BADEA

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany ho an’ny taona 2025, na ny « WGS 2025 », izay atao any Dubaï.  Haharitra hateloana izany ka hifarana ny 13 febroary 2025 izao. Notanterahina tao amin’ny Mean Arena, Mina Al Salaam; ao amin’ny Madinat Jumeirah, izany lanonana izany. Voaasa manatrika izany ny Filoha malagasy Andry Rajoelina sy ireo delegasiona malagasy miaraka aminy. Nifantoka tamin’ny famelabelarana ny hoavin’ny zanak’olombelona eo anatrehan’ny fihazakazaky ny fivoaran’ny teknolojia ny lanonana fanokafana. Fa indrindra fotoana nentina nanairana ny sain’ireo Governemanta maneran-tany fa tena manana anjara toerana goavana amin’ny fanapahan-kevitra raisiny manoloana izany ireo Governemanta. Manamarika manokana ny fandraisana anjaran’ny Filoha Andry Rajoelina, amin’izao fihaonana an-tampon’ny Governemanta maneran-tany izao, ny fanasana manokana ny Filoha malagasy handray anjara fitenenana nandritra ny « Governement Experience exchange » na ny « Fourm d’Échanges d’Expériences entre les Gouvernements ». Ao anatin’ny lohahevitra hoe : « Leadership et Prospérité Nationale ».

Haitarika ananan’ny Mpitondra…

Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny « Future Hall », ao amin’ny « Jumeirah Beach Hotel » ity lanonana ity. Feno ny efitrano nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha malagasy. Nasongadin’ny Filoha Rajoelina nandritra ny kabariny, araka izany, fa andry fototry ny fandrosoana sy ny fivoaran’ny firenena iray ny haitarika hananan’ny Mpitondra. Tomponandraikitra voalohany amin’ny firenena ny Mpitondra ka anjarany ny manana vinam-pampandrosoana ho an’ny firenena. Nozarain’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny ny haitarika roa napetrany hampandrosoana an’i Madagasikara. Mifototra amin’ny fanovana ny fomba fambolena ny haitarika voalohany. Ary mifototra amin’ny fampiroboroboana ny angovo ny haitarika faharoan’ny Filoha Rajoelina. Nohamafisiny fa paikady mahomby hahafahana mandresy ny fahantrana ny fambolena, amin’ny alalan’ny fanovana ny fomba fambolena na ny « transformation agricole » eto Madagasikara.

Fanamby ny tanjaka 250 Mégawatts

Eo amin’ny sehatry ny angovo, haitarika nozarain’ny Filoha Andry Rajoelina ho entina hampivoarana sy hampandrosoana an’i Madagasikara ny fanaovana laharam-pahamehana ny fampiasana sy famokarana ny angovo azo havaozina sy ny fialana amin’ny ziogan’ny fampiasana solika hamokarana angovo. Ho an’ity taona 2025 ity, fanamby goavana no apetraky ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny famokarana angovo azo havaozina mandeha amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka 250 mégawatts eto Madagasikara. Raha efa mandeha sy miroso amin’izao ny famokarana angovo 50 mégawatts mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Afaka efa-taona, vinan’ny Filoha Andry Rajoelina ny hamokatra herinaratra 1000 mégawatts, izay hahasahana sy hamaly tanteraka ny filana amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara. Nohamafisin’ny Filoha fa ny haitarika arahana asa sy vina no paikady mahomby hanovana sy hampandroso ny Firenena iray. Taorian’ny kabariny, nanatrika ny lahadinika mikasika ny « gouvernement services form » koa izy, ao anatin’ity fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany.

Hamatsy vola 250 – 350 tapitrisa dolara…

Ankoatra izay, nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny filohan’ny BADEA , Sidi Ould Tah, omaly tolakandro io, tao amin’ny fihaonana an-tampon’ny Governemanta maneran-tany. Tanjon’ny BADEA ny hanamafy orina ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ara-bola sy ara-teknika eo amin’ny firenena arabo sy ny firenena afrikanina. Firenena 44 eto Afrika no tohanan’ny BADEA ka anisany izany i Madagasikara. Nambaran’ny Filohan’ny BADEA ny fahavononany hamatsy vola 250 ka hatramin’ny 350 tapitrisa dolara ny fanamboarana ny ampahany faharoa amin’ny arabe migodana voalohany eto Madagasikara. Manana teti-bola hatrany amin’ny 50 miliara dolara ny BADEA natokana hanohana ny sehatry ny fanamboarana ny fotodrafitrasa fotsiny ary izao manokana 250 hatramin’ny 350 tapitrisa dolara izao, ho an’ny « autoroute »-n’i Madagasikara.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer