Fanadihadiana ManokanaSosialy
FAHASALAMANA : Voan’ny Androbe ny 02%-n’ny mponina eto Madagasikara
Aretin’ny atidoha fa tsy asan’ny devoly na ny fanahy ratsy araka ny fiheveran’ny maro azy akory ny androbe. Miteraka tsy fandraisana an-tanana ny aretina sy fanilikilihana eny amin’ny fiarahamonina izay hevi-draikitra izay. Tamin’ny alatsinainy lasa teo no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe tamin’ity taona 2025 ity. Hamafisina hatrany ny fanentanana ny olona hanatona mpitsabo raha toa ka miseho ireo soritr’aretin’ny androbe.
Marihana isaky ny alatsinainy faharoa amin’ny volana febroary ny andro iraisam-pirenena ho an’ny aretina androbe (épilepsie), fantatry ny rehetra ihany koa amin’ny anarana hoe aretim-borona na toratorana. Araka izany, tamin’ny alatsinainy 10 janoary lasa teo no nanamarihana izany tamin’ity taona 2025 ity. Ny androbe dia aretin’ny atidoha, miseho amin’ny alalan’ny fanintona miverimberina ka mahatonga ny olona iray manao krizy. Toy ny misy herinaratra any anatin’ny lohan’ny olona rehefa mihetsika ny krizy. Vokatry ny fiparitahan’io herinaratra io no miteraka fikorontanana ao anatin’ny atidoha, ary mahatonga ny krizin’ny androbe. Izany hoe toy ny misy kotrok’orana ao amin’ny loha.
Misy karazany maro ny fisehon’ny androbe. Misy ny krizy tsy hita soritra ety ivelany mihitsy fa varimbarina na midonaka fotsiny ihany ilay olona. Ny sasany kosa anefa dia hita soritra ety ivelany. Izany hoe maneho fanintona ilay olona, aretin’andoha, fanina, voly na mifandrirotra ny hozatra, mikainkona ireo rantsam-batana, tsy mahatsiaro tena na safotra mihitsy aza. Na eo aza ireo fisehony samy hafa ireo, midika ho fikorontanana miserana fotsiny ihany eo amin’ny fiasan’ny atidoha ny androbe. Voamarina ny aretina rehefa miverimberina matetika ny krizy.
Mahazo ny sokajin’olon-drehetra
Matetika mitranga eo amin’ny vanim-potoan’ny fahazazana ny androbe. Na izany aza dia tsy mifidy taona izy. Manodidina ny 50 tapitrisa eo ankehitriny ireo olona voa sy miaina miaraka amin’ny androbe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tombanana ho olona 21 amin’ny 1 000 no voan’ny aretina androbe eto Madagasikara. Izany hoe manodidina ny 02%-n’ny mponina. Miankina amin’ny antony mahatonga ny aretina ny fivoaran’ny androbe. Misy amin’ireo olona voan’ny androbe no sitrana rehefa mihalehibe, ary misy ihany koa ny tsy sitrana mihitsy. Rehefa izany, antony mahatonga ny aretina androbe ny fahabetsahana “décharge électrique” (rayonnement électromagnétique) any amin’ny atidoha. Io no mampikorontana ny “neurotransmetteur cérébral”. Mety noho ny fisian’ny katsentsitra (bactérie), ny mikaroba sy ny kankana ihany koa anefa no mampikorontana ny atidoha ka mahatonga ny androbe. Mbola antony hafa ihany koa ny dona mafy niantraika tamin’ny loha. Mety ho avy amin’ny fahasarotana tamin’ny fiterahana. Tsy adinoina ny tsy fahampiana otrikaina sakafon’ny atidoha toy ny Zinc, Calcium, magnesium, selenium, tryptophane, vitamine B1, N6, B9, E…
Na eo aza ireo fanazavana momba ny aretina ireo, mbola maro hatrany ireo hevi-diso sy tsaho miparitaka manodidina ny androbe. Misongadina indrindra ny filazana fa herin’ny maizina, avy amin’ny fanahy ratsy sy famosaviana ny androbe. Maro ihany koa ny mihevitra azy ho areti-mifindra. Vokatr’ireo hevi-draikitra ireo, tsy misitraka ny fitsaboana sahaza azy ny marary. Iharan’ny fanilikilihana ihany koa izy ireo rehefa mihetsika ny krizy. Tsara anefa ny manamarika fa tsy mifindra ny androbe, tsy manaranaka, ary azo tsaboina tsara ihany koa. Misy ireo fanafody natao hifehezana azy ka raha vao mitranga ilay aretina dia tokony manatona mpitsabo avy hatrany. Mila manana faharetana ihany koa mandritra ny fitsaboana satria maharitraritra ny fanarahana izany, na dia efa tsy miseho intsony aza ilay aretina. Mety maharitra 3 hatramin’ny 5 taona eo io fanarahana fitsaboana io.
Ireo fihetsika tokony hatao manoloana ny olona mihetsika krizin’ny androbe
-Ajanona amin’ny toerany ny marary raha tsy mampidi-doza. Izany hoe tsy amoron’antsana, amoron-drano na ihany koa akaiky afo.
-Alavirina azy izay zavatra mety handratra na hampidi-doza.
-Tsy sakanana ny fihetsiky ny ratsam-batany.
-Asina zavatra malemilemy ao ambany lohany.
-Tsy hanatsofohana zavatra toy ny sotrokely na tanana ao am-bavany.
-Esorina ny solomasony.
-Alalahana ny akanjo maneritery azy.
-Tsy omena zava-pisotro na sakafo izy.
-Ahorirana ny marary rehefa mijanona ny krizy.
-Mijanona eo akaikiny ny olona miahy azy mandra-pahatsiarovany tena.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



