
Samihafa
SIVILY MISALOTRA AKANJO MIARAMILA: Mahavoasazy 1 volana hatramin’ny 5 taona, miampy lamandy hatramin’ny 9 tapitrisa ariary
Tsapa tato ho ato fa maro ireo olon-dratsy manao fanafihana na misoloky dia misalotra fanamiana miaramila na ny mitovy amin’izany, hoy ny tatitry ny avy eo anivon’ny EMMONAT tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Miara-dalana amin’izany dia mirongatra ihany koa ireo olona mivarotra ireo karazana fanamiana miaramila na ny mitovy amin’izany, eny an-tsena na ihany koa eny amin’ny tambazotran-tserasera.
Manoloana izany dia hanamafy ny fandraisan’andraikitra ireo hery fiarovana sy filaminana mivondrona eo anivon’ny EMMONAT. Araka ny voafaritra ao anatin’ny andininy faha-259 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mantsy dia voarara ary enjehin’ny lalàna manan-kery manerana ny tanin’ny Repoblika ny fanaovana fanamiana miaramila na ny mitovitovy endrika amin’ny fanamiana miaramila, ho an’ireo sivily tsy manana fahazoan-dalana hanao izany. Ireo minia mbola manao izany dia mety hiaran’ny sazy 1 volana hatramin’ny 5 taona any am-ponja, miampy lamandry 2 hetsy hatramin’ny 9 tapitrisa ariary. Noho izany, miroso amin’ny fanentanana ho fampiharana io lalàna io ireo tompon’andraikitra mandritra ity herinandro ity, hatramin’ny zoma ho avy izao. Aorian’izay dia hampihatra avy hatrany ny lalàna mikasika ny fivarotana sy ny fisalorana fanamiana miaramila izy ireo, manomboka amin’ny sabotsy 15 febroary 2025. Fehiny, entanina ireo olona rehetra mivarotra fanamiana miaramila na ny mitovy amin’izany ka tsy nahazoana halalana, mba hampitsahatra tanteraka ny fivarotana ireo akanjo ireo. Entanina mitovy amin’izany ihany koa ny olom-pirenena sivily mba tsy hisalotra intsony ireo fanamiana miaramila. Tanjona amin’ny fanamafisana io fepetra io ny hahafahana manavaka ireo mpitandro filaminana sy ireo olom-pirenena tsotra amin’ny olon-dratsy.
S.S




