PolitikaSongadim-baovao

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO: Nosalorana samboady ireo Ben’ny tanàna 26 vao lany

Nisolo tena an’Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona, nanome voninahitra ny lanonana manetriketrika nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny samboadin’ireo Ben’ny Tanàna miisa 26 voafidy tao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny Loholon’i Madagasikara Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly, alarobia 12 febroary 2025. Ny Samboady moa ny marika ara-panjakana manamarina ny maha-olom-panjakana azy ireo.

Tsiahivina fa ny Antenimieran-doholona no mpiahy sy misolo tena ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (Collectivités territoriales décentralisées). “Amin’ny maha loholona ahy sady nisolo tena rahateo ny Filohan’ny Antenimieran-doholona no nanatrehako ny lanonana ofisialy androany”, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. “Araka izany dia manakaiky bebe kokoa ireo ben’ny tanana manomboka izao ary isaorako ny Filohan’ny Repoblika nanome ahy izay fanararaotra (opportunité) izay, hanompanako ny asa sy ny ezaka rehetra hatao ho fanohanana azy ireo, hiaingan’ny tena fampivoarana avy eny ifotony”, hoy hatrany ny fanambarany.

Tao anatin’ny lahateniny ihany koa no nanamafisany ny antso efa nataony tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay ho an’ny eo anivon’ny Mpanatanteraka rehetra, na inona na inona mety andraikiny ao anatin’ny Fitondrana, mba haharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoha. Tsy tokony havela hiady irery sy iharan’ny torabato amin’ireo karazana tsy fahatomombanana eto amin’ny firenena ny Filoha, hoy izy, fa tokony hijoro sy ho lohalaharana ny minisitra tsirairay avy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer