
Manokana Covid-19
FIVOARAN’NY ANTONTANISA: 13,57% ny tahan’ny fitiliana farany covid, 91,77% ny taham-pahasitranana
Mitohy hatrany ny fihenan’ireo olona atao fitiliana mitondra ny tsimokaretina coronavirus, eto amintsika. Tamin’ny fitiliana farany natao, dia eo amin’ny 13,57% eo ny tahan’ny fiabon’izany. Eo amin’ny taham-pahasitranana ihany koa, dia mitombo hatrany, satria eo amin’ny 91,77% eo izany amin’izao fotoana, raha ny tarehimarika farany nomen’ny mpitondra tenin’ny CCO, Profesora Vololontiana Hanta…
Miisa 85 ny olona nahitana coronavirus tamin’ny fitiliana natao farany manerana ny Nosy, mitotaly 626, na tamin’ny PCR na GenExpert. Izany no nahitana ny tahan’ny fiabon’ny fitiliana 13,57%. Mihena hatrany ireo olona voan’io valanaretina io, raha oharina tamin’ny teo aloha. Ary raha eo amin’ny fivoaran’izany amin’ny isam-paritra indray, dia ny any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy no tena ahitana fiakarana betsaka amin’izao fotoana. Mitombo hatrany ireo olona sitrana, ary mahatratra eo amin’ny 91,77% eo ny tahan’izany, manoloana ireo olona rehetra efa nahafeno fepetra mahatratra 14 243, rehefa niampy 24 vaovao, ary koa oharina amin’ireo 15 520 efa nahitana ny tsimokaretina io hatramin’izay nanaovana fitiliana teto. Azo lazaina ary, fa andalam-pandresena io valanaretina io isika amin’izao fotoana, saingy tokony ho mailo hatrany, satria mbola misy ny covid-19 eto. Raha ny antontanisa farany io, niampy 61 ireo olona mbola manaraka fitsaboana sy arahi-maso eny anivon’ireo hopitaly misy izany manerana ny Nosy. Mahatratra 1 071 izy ireo amin’izao fotoana. Tao anatin’ny 24ora farany izay, tsy nisy ny marary mafy nanampy ireo 53 mbola raisin-tanana eran’ny faritra maro. Toy izany koa ireo lavon’ny covid, ka mijanona ho 206 hatrany izy ireo amin’izao fotoana. Raha ny totalin’ny fitiliana PCR dia mahatratra 62 150, ary 6 519 ny Genexpert.
Tranga vaovao, sitrana isam-paritra
Tamin’ireo fitiliana miisa 626, ny 519 vita tamin’ny alalan’ny PCR, raha GenExpert ny 107. Raha tamin’ireo olona miisa 83 nahitana coronavirus dia miisa 22 ny teto Analamanga. Nisy ny sitrana soa aman-tsara miisa efatra. Notsaboina tao amin’ny hopitaly HJRA ny iray, tao Anosiala ny iray, ary tetsy amin’ny CTC Mahamasina ny roa. Tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro nahitana tranga vaovao miisa 16, ka tao Ambatondrazaka ny 10, raha tao Amparafaravola ny enina. Tsy nisy ny sitrana tany amin’ny faritra. Ho an’ny faritra Vatovavy Fitovinany nisy tranga vaovao miisa dimy, tao Manakara, tsy nisy ny sitrana. Faritra Atsinanana tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa roa. Faritra Matsiatra Ambony nisy tranga vaovao iray, tsy nisy koa ny sitrana. Tao Boeny nahitana tranga iray, sy nisy ny sitrana. Faritra Sofia nisy tranga vaovao miisa dimy, tao Mandritsara avokoa, tsy nisy ny sitrana. Faritra Melaky nisy tranga vaovao iray, tao Maintirano, tsy nisy ny sitrana. faritra Atsimo Andrefana tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy olona sitrana vaovao miisa enina, tao Toliara. Faritra Anôsy nahitana tranga vaovao iray, tao Amboasary Atsimo, tsy nisy ny sitrana. Tao amin’ny faritra Menabe nisy tranga vaovao miisa 14, tao Morondava, tsy nisy ny sitrana vaovao tany an-toerana. Tao Androy tsy nahitana tranga, saingy nisy sitrana miisa roa. Faritra Sava nahitana tranga vaovao miisa efatra, tao Sambava, tsy nisy ny sitrana vaovao. Faritra Diana nisy tranga vaovao miisa 15, ka tao Antsiranana voalohany ny 14, raha tao Antsiranana faharoa ny iray. Nisy ny sitrana iray tao Antsiranana voalohany.
Faritra dimy ahitana ireo marary mafy
Ho an’ireo marary mafy mbola raisin-tanana miisa 53, dia fantatra fa eto Analamanga ny 34. Ao Befelatanana ny 26 amin’izany, ao amin’ny hopitaly HJRA ny efatra, ao amin’ny hopitaly manara-penitra Anosiala ny iray, etsy amin’ny manara-penitra Andohatapenaka koa ny telo. Ny CTC Mahamasina tsy nahitana marary mafy. Raisin-tanana ao Vakinankaratra Antsirabe ny marary mafy iray, ao Matsiatra Ambony Fianarantsoa ny 12, ao Toliara ny iray, ary tsaboina any amin’ny hopitalin’Antsiranana ny dimy ambiny.