PolitikaSongadim-baovao

FILOHA RAJOELINA – MPANJAKAN’NY ESWATINI : Mila jerena ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta

Tao anatin’ny dian’ny Filoha amin’ny fiatrehana ny fihaonan’ireo governemanta manerantany, dia nisy koa ny fihaonana manokana, teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Mpanjakan’i Eswatini, Mswati III afakomaly tolakandro, tao amin’ny Atlantis Hotel. Niarahaba manokana ny Filoha Andry Rajoelina, izay ho filohan’ny SADC manaraka, manomboka ny volana aogositra 2025 izao, ny Mpanjakan’i Eswatini. I Eswatini izay firenena anisany mpikambana ao anatin’ny SADC. Naneho ny fankasitrahany manokana ny kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina ny afakomaly maraina teo koa ny Mpanjakan’i Eswatini. Ahitana taratra ny haitarika sy ny fomba fijerin’ny Filoha Andry Rajoelina, ny fanairan’ny Filoha malagasy ny Firenena afrikanina amin’ny tokony hanovana ny fomba fitantanana ireo harena sarobidy misy eto Afrika, mba hisy voka-tsoa hipaka amin’ny vahoaka afrikanina izany.

Nohamafisin’ny Mpanjakan’i Eswatini koa fa fanombohan’ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Efa nilaza sy nanamafy sahady ny Mpanjaka Mswati III fa ho avy hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny SADC atao aty Madagasikara, amin’ny volana aogositra izao. Sambany no ho tonga eto Madagasikara ity Mpanjaka ity. Nohamafisin’ity Mpanjaka ity koa fa tokony hojerena ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny Eswatini sy ny Fanjakana malagasy. Notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina manokana fa firenena tena akaiky an’i Madagasikara, ara-jeografia i Eswatini. Niantso manokana ny Mpanjakan’i Eswatini hifanome tanana aminy, hiaraka hitrandraka sy hampiroborobo an’i Afrika, ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ity fihaonana ity.  Anisany nanamarika ny andro faharoa nandraisan’ny Filoha anjara tamin’ity fihaonana ity, ny fitsidihina ny Biraon’ny filaminam-bahoaka ao Dubai. Avo lenta sy hiaka farany avokoa ireo fitaovana ampiasain’ireo mpitandro filaminana. Anisany nojeren’ny Filoha akaiky ny fiara fampiasan’ny Polisy, izay feno fakantsary andrimaso  ampolony anatiny sy ivelany ny fiara. Tanàna anisany mandry fahalemana indrindra maneran-tany i Dubai.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer