Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ZAZA VARIRA 05 TAONA NALAINA AN-KERINY: Ravan’ny Polisy ny tambazotra mpaka an-keriny iray
Ravan’ny Polisim-pirenena indray ny tambazotrana mpàka an-keriny zaza varira ny alin’ny alarobia 12 Febroary 2025 tao Ambila, tanàna 20 km miala an’i Manakara. Raha ny angom-baovao azon’ny Polisim-pirenena tany an-toerana, dia afenin’ireo olon-dratsy tao amina trano iray tao amina tanàna iray antsoina hoe « Ambila » ilay zaza. Manoloana izany dia nanao ny paikady sy ny vela-pandrika ny Polisy mba hanavotana ilay zaza nalaina an-keriny. Vokatr’izany, dimy mianadahy no voasambotra ka vehivavy ny iray, isany voarohirohy. Fantatra tao anatin’izany anefa, fa tafaporitsaka ny sasany nandritra ny fifandonana. Voatifitra tamin’ny tongony ny iray tamin’ireo tafaporitsaka ka voasambotra ihany. Nentina avy hatrany teny amin’ny Biraon’ny Polisy ireo voasambotra mba hanaovana fanadihadiana manokana. miisa 08 ny totalin’ny voasambotra. Isany ny mpiray tsikombakomba sy ny tompon’antoka mivantana amin’ity fakàna an-keriny ity. Mbola misy olona 09 hafa ihany koa no voasambotra ka tazonina ao Vohipeno amin’izao fotoana mikasika ity raharay ity ao amin’ny biraon’ny Polisy sy ny Zandary any an-toerana, hanaovana fanadihadiana iombonana.
Nangonin’i Stan



